Maty natelin’ny reniranon’i Matsiatra Mahasoabe Fianarantsoa ny zandary mpiana-draharaha iray ny sabotsy teo. Hita omaly atoandro ny razana. Telo lahy izy ireo no niara-nisasa teo amin’io renirano io. Tampoka teo anefa, natelin’ny rano tampoka ilay zandary mpiana-draharaha. Avotra kosa ireo namany roa lahy. Hita faty tao an-tranony, ao Village touristique […]
Auteur/autrice : Adnews
Arivonimamo: roa lahy nitazom-basy voasambotra
Nihazona basy tsy ara-dalàna, roa lahy nosamborin’ny polisy tao Ambohipeno Arivonimamo, ny 25 avrily teo. Nanao fisavana teny amin’ny Barrage securité, PK 48, ny mpitandro filaminana. Nosavain’izy ireo, tamin’io fotoana io, ireo roa lahy nandeha moto izay tsy nisy takelaby misy laharana “Plaque d’immatriculation”. Nahitana fitaovam-piadiana iray, niampy bala sy […]
Hasarotam-piaro: karohina ilay lehilahy nanondraka asidra
Hifampitadiavan’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana, ny lehilahy iray nanondraka asidra ny vadiny tao Tsiroanomandidy. Tsy an’asa io lehilahy io raha toa ka miasa ao amin’ny fitsarana ao an-toerana ilay ramatoa. Nangataka hanao taratasy fisarahana anefa ramatoa rehefa nahita ny fitondran-tena tsy mendrika an’ilay rangahy. Nampiakariny tany amin’ny fitsarana ny raharaha […]
Mitsindroka vary lo: noravana tamin’ny tifi-danitra
Mafy ny ady! Tsy manaiky ny nandorana sy nandevenana ny vary lo ny mponina ao Toamasina ka mikiry ny mamongatra izany. Voatery noravana tamin’ny tifi-danitra izy ireo. Niafara tamin’ny tifi-danitra ny fandravan’ny mpitandro filaminana ireo andian’olona marobe nirohotra, nangady vary simba efa nodorana tao Antanandava Toamasina, ny zoma alina teo. […]