Hiditra amin’ny fampivondronana fahatelo ny Malagasy atleta, mpikatroka ny taranja karate, hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, hatao any Nigéria, ny 23 hatramin’ny 27 jolay izao. Ny 8 hatramin’ny 11 mey, eny amin’ny ANS Ampefiloha, no hanaovana ity fampivondronana ity. Hotanterahina any La Réunion, anio, ny fifaninanana katrokady “Fight Night”, […]
Auteur/autrice : Adnews
E-Sport – fifaninanam-pirenena : Nitiliana izay hiatrika ny fifaninanana afrikanina
Notontosaina teny amin’ny Stade Barea Mahamasina, ny herinandro lasa teo, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, ho an’ny lalao E-sport. Mpilalao 600 mahery no nandray anjara nandritra izany. Fifaninanana nokarakarain’ny Federasionina malagasin’ny E-sport. Zava-dehibe izao fifaninanana izao satria dingana iray manamarika ny fankatoavana ny taranja eto Madagasikara, araka ny nambaran’ny filohany, […]
Barea sy ny RD Congo: Hatao any Orléans ny lalao
Efa fantatra ny daty sy ny kianja hanaovana ny lalaon’ny Barea de Madagascar sy ny Leopard an’ny RD Congo, araka ny fanambaran’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred. Hatao ny alahady 8 jona, amin’ny 4 ora hariva (ora any France), ao amin’ny kianja Omnisport de la Source Orléans […]
Kids Soccer Atsimondrano : Hiaka-tsehatra ny kilonga U13 sy U15
Mitodika any amin’ny kilonga mpianatra ny fifaninanana karakarain’ny Atsimondrano Action, eo amin’ny taranja baolina kitra. Hiakatra kianja manomboka ny volana jona ny sokajy U13 sy U15. Vola 5 tapitrisa Ar no hozaraina ho an’ireo mpandresy. Taorian’ny “Atsimondrano Champions League (ACL)”, taranja baolina kitra, hiitatra any amin’ny sokajy U13 sy U15 […]
INDRAY MIJERY
Miisa 19 ireo mpitarika English Club ao Fort Dauphin manaraka fiofanana iarahana amin’ny amerikanina. Miompana amin’ny teknika fanentanana sy fampandehanana fikambanana ny izany. Ampiasaina ireo fitaovam-pampianarana sy raki-pahalalana novolavolaina. Tanjona ny hananganana vondrona matanjaka, hanomezana tosika ireo mpitarika. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra tamin’ity herinandro ity ny famaritana ny tahan’ny karaman’ireo […]




