Voasambotry ny polisy ireo roa lahy nanolana sady nandroba vehivavy tsy ampy taona tao amin’ny kaominina Alasora, afakomaly. Tratra hariva tamin’io toerana tsy mahazatra azy io ny olona mpivahiny. Nangataka tamin’izy roa lahy mba hanoro ny lalana tokony halehany ilay mpivahiny. Nanararaotra avy hatrany ireto olon-dratsy. Nentiny tamin’ny toerana mangingina […]
Auteur/autrice : Adnews
Nokasaina haondrana : Vato sarobidy 117 isa tratra tetsy Ivato
Sarona tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly, ny vato sarobidy miisa 117, nokasaina haondrana any ivelan’i Madagasikara. Teratany sinoa iray no tratra nitondra ireo. Mitaky ny hanovana ny ekipa manao kolikoly ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara. Mitohy ny fahatrarana harena sarobidy kasaina haondrana any ivelan’i Madagasikara. Omaly, vato sarobidy manodidina […]
Lalao Olympika ho an’ny tanora: Nahazo traikefa ny Makis Ladies
Nifarana afakomaly, tany Tunisie, ny fiofanana rugby ho an’olona fito, “Stade de la solidarité U-18”, izay nandraisan’i Madagasikara anjara. Naharitra herinandro mahery io fiofanana io. Nahazo ny laharana faharoa tamin’ny “Solidarity U18 Women’s Rugby Sevens” ny ekipam-pirenena Makis Ladies. Nahazoan’ny ekipa nasionaly traikefa sy fahaizana izany. Tsiahivina fa natao hanomanana […]
Ping-Pong – Afrique 2026: Mandravarava ny Malagasy
Niditra tamin’ny andro faharoa, omaly, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja ping-pong ho an’ny sokajy «sénior», lahy sy vavy. Fihaonana tanterahina ao amin’ny Arena Olympic Hall, Tangier, Maroc. Tsara aloha ny vokatra ho an’ireo solontena malagasy, izay mandravarava tokoa. Porofon’ izany, nahazo fandresena hatrany ny lehilahy isan-tarika ho an’ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Nanainga omaly vao maraimbe, ny ekipam-pirenena malagasy, taranja billard. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany tanterahina ao Cape Town Afrika Atsimo, manomboka ny 23 oktobra ka hatramin’ny 1 novambra ho avy izao ny anton-dian’izy ireo. Miisa 27 mianadahy ireo hiaro ny voninahi-pirenena. Hifanandrina amin’ny famaranana amin’ny «Top 8», taranja […]





