Auteur/autrice : Adnews

Bakalorea antananarivo 2026 : Niakatra ho 51,74 % ny taham-pahafahana

Niakatra 4, 25% ny taham-pahafahana fanadinana bakalorea ho an’Antananarivo raha mitaha amin’ny vokatra ny taona 2025, araka ny fanambaran’ny filohan’ny Oniversi­ten’Antananarivo, Pr Randria­nasolo Rivoarison, ny faran’ny herinandro teo. 51, 74,% ny taham-pahafahana ankapo­beny ; 69,66% ho an’ny fampianarana teknika. Ny sokajy L : 70,92%, manana ny taha ambony indrindra. Ny […]

Belo sur Tsiribihina : Nahazo trano fandidiana

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro teo, ny trano fandidiana sy trano fitobian’ny marary avy nodidiana ho an’ny CHRD Belo sur Tsiribihina. Dingana lehibe iray ho fanatsarana sy fanamafisana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny mponina izany. Hanampy amin’ny fanakaikezana ny fitsaboana ara-pandidiana sy ny fanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo […]

Tetikasa fampidirana rano madio fisotro : Tokantrano 10 000 hisitraka izany ho an’ny dingana voalohany

Tafiditra amin’ny fanamarihana ny faha-50 taonan’ny orinasa Jirama ny famatsiana rano amin’ny sarany mora. Laharam-pahamehana ireo toerana marefo ka amin’ny vidiny mirary 30 000 Ar ny fametrahana ny kojakoja rehetra ilaina. Ahitana compteur, fantsona, robinet. Nanatanteraka fidinana teny amin’ny fokontany Tanjombato Iraitsimi­vaky sy Ankorondrano, ny faran’ny herinandro teo, ireo tomponandraikitra […]

Savate – Madagasikara 2026 : Nahatratra zato mahery ireo mpikatroka

Notontosaina tao amin’ny Gymnase Ankoay Ankoron­drano, ny zoma sy sabotsy lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja haiady, savate, sokajy rehetra. Nahatratra 100 mahery ireo atleta nifanintsana teny an-toe­rana, avy amin’ny ligy enina. Anisan’izany ny ligin’Anala­manga, Matsiatra Ambony, Itasy, Diana, Atsimo Andrefana, Vatovavy. Raha ny fanazavana voaray teny an-toerana,  natao […]

Kitra – ” Coupe des Champions ” : Misy ny lesoka ho an’ny CFFA sy ny FC Rouge

Notontosaina omaly, teny amin’ny Kianja CFFA Iavo­loha, ny lalao mandroson’ny fifaninanana “Coupe des Cham­pions” izay nifanandrinan’ny CFFA, tompondakan’i Mada­gasikara sy ny FC Rouge, tompon’ny amboara. Resin’ny CFFA tamin’ny isa 3 no ho 1, ny FC Rouge. Samy nilaza ny ekipa roa tonta fa mbola betsaka ny lesoka mila harenina. Anisan’izany […]