Auteur/autrice : Adnews

Fikasana hanafika sy hanolana : Zandary efa-dahy nalefa eny Tsiafahy

Naiditra am-ponja eny Tsiafahy ny zandary efa-dahy sy sivily iray rehefa avy nohenoin’ny fampanoavana. Notorian’ny vehivavy iray monina eny Itaosy ho saika hanafika sy hanolana izy ireo. Voalazan’ny loharanom-baovao hafa anefa fa hitaky trosa no nalehan’izy ireo tany. Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ny zandary efa-dahy, afakomaly, rehefa avy nohenoin’ny […]

Kitra – Divizionina faharoa nasionaly : Hisolo tena an’Analamanga ny Disciples FC

Ny ekipan’ny Disciples FC Espoir no voahosotra ho tompondakan’ny ligin’Anala­man­ga tamin’ity taom-pilalaovana 2026 ity. Lasan’izy ireo ihany koa ny lelavola 2 tapitrisa Ariary avy amin’ny ligy. Izy ireo ihany koa no hiaro ny voninahitr’Analamanga any amin’ny fifanintsanana diviziona faharoa, nasionaly. Tsia­hivina fa lavon’izy ireo, tamin’ny isa 1 no ho 0, […]

SOMBIM-BAOVAO

Nanainga omaly, nihazo an’i Casablanca Maraoka, Ralevazaha Kevin, hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Judo, eo amin’ny sokajy junior, latsaky ny 66 kg. Ny sabotsy 25 jolay izao ity Malagasy judokas, avy amin’ny klioban’ny Family Judo Club Antsirabe (FJCA) ity no hiakatra tatami. Niakatra kianja, nanomboka omaly, ny Ankoay lahy sy vavy, miatrika ny “Nations League […]

Tsipy kanetibe : Lasa any Frantsa ihany ny Malagasy

« Ela ny ela fa lasa ihany !» Araka ny fanambarana hita tao amin’ny pejin’ny Fédération sport boule malagasy (FSBM), omaly, nahazo taratasy fahazoan-dalana hivahiny any Frantsa ihany ny delegasionina malagasy, ny zoma lasa teo. Raha ny fanadihadiana natao, miisa enina ny mpilalao handrafitra ny delegasionina, hiaro ny voninahitr’i Mada­gasikara, mandritra ny […]

ABL-U23 : Tanjona ny hahavitan’ny klioba iray lalao 9

Niditra tamin’ny andro faha-13, ny faran’ny herinandro teo, ny fifaninanana eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja basikety, ho an’ny sokajy latsaky ny 23 taona. Fifaninanana izay tanterahina isaky ny faran’ny herinandro, eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano.  Fanamby efa napetraka hatrany am-piando­ha­na,  ho an’ny ligin’Anala­manga ny basikety,  ny hisian’ny lalao maro araka izay tratra,  amin’ny sokajy […]