Auteur/autrice : Adnews

INDRAY MIJERY

-22,2% ihany ny vehivavy mpianatra miofana araka asa eny amin’ny sekoly ambony politeknika, araka ny fanadihadiana nataon’ny cabinet Fred Ingeneering sy ny cabinet Miarintsoa ny taona 2024. Fiofanana momba ny olana sedrain’ny vehivavy miasa amin’ny fanaovan-dalana izany. Rehefa tonga ny fahavaratra, anisan’ireo faritra andalovan’ny rivodoza sy tratry ny orambe ny […]

“CSW69”: Tombanana ireo ezaka vitan’i Madagasikara

Mitarika ny delegasiona malagasy any Etazonia, amin’ny fivoriambe andiany faha-69 ny komity misahana ny anjara toeran’ny vehivavy ao anatin’ny Firenena mikambana na CSW69 ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. Vehivavy tomponandraikitra maneran-tany no manao tombana ny fanatanterahana ireo fanamby natao tany Beijing, 30 taona lasa izay. Dinihina […]

Hanarenana ny tsy fahampian’ireo am-perinasa : Tohanana ny vehivavy misahana ny asa fanaovan-dalana

Tetikasa telo: Projet Connecter Madagascar pour une Croissance Inclusive (PCMCI), Projet de Dévelop­pement Durable du secteur Routier à Madagascar (PDDR) ary ny projet d’Appui à la Connectivité des Transports (PACT) nanaovana fanadihadiana. Ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy misahana faritra 12, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ahafahana mamantatra ireo sakana tsy ahafahan’ny vehivavy […]

Ceni : Hanao fifidianana loholona

Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni, amin’ny alalan’ny mpampakateny, Soava Andriamarotafika, fa eo am-pandrafetana ny hanatontosana ny fifidianana ireo ho loholona izy ireo. Natsi­diny fa tokony hotanterahina ny novambra amin’ity taona ity izany ary tokony ho tafapetraka ny fiandohan’ny taona 2026 ny mpikambana handrafitra ny Antenimierandoholona. Efa ho tapitra ny fe-potoam-piasan’izy ireo. […]

Jly Ravalomanana Richard: “Havaozina ny rafitry ny fandriampahalemana”

Nitsidika ny filohan’ny Ante­­nimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, tetsy Anosikely, ny solontena ma­nokana avy amin’ny Vondrona afrikanina (UA), Alice Nzomu­kunda, omaly. Noresahina ta­min’izany ny atrikasa mom­ba ny fanatsarana sy ny fanavaozana ny lafiny fandriampahalemana sy ny filaminana, ka­sain’ny UA hatao eto Mada­gasikara. Niantsoan’izy ireo ny Jly Ravalomanana Richard izany mba […]