Auteur/autrice : Adnews

Fako sy ny fifamoivoizana: Miara-miasa ny MFFT sy ny CUA ary i Japon

Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, tetsy Anosy, omaly, ny delegasionina Japoney, eo anivon’ny Jica. Anisan’ny niompanan’ny fihaonana teo amin’ny roa tonta ny hijerena ny fanatsarana an’Antananarivo Renivohitra. Anisan’izany ilay tetikasa lehibe iarahana amin’ny masoivoho japoney ho an’ ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena (Jica) momba ny […]

Fitantanana: Ho amin’ny tombontsoa iombonana ny politika sy ny fanjakana

Mahabe resaka ny sasany ny hoe politika sy fanjakana; eny, na ny governemanta aza. Indraindray, mila hifangaro be ihany… Inona ny marina? Ho amin’ny tombontsoa na soa iombonana ny hoe politika sy fanjakana. Andrana fanadihadiana… Manondro tanàna voalamina ny hoe politika amin’ny teny grika fahiny. Midika hoe lalàmpanorenana sy olom-pirenena […]

TARATRY ny KANTO

«Gasy Gasy Anat’sah». Tafaraka eny Anat’Sah, sampanana «art malagasy» Ambohi­trimanjaka indray i Kolibera sy i Nini ary Eric Rason. Seho hotanterahina ny 22 marsa izao, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. Araka io lohateny io, hisongadina mandritra ny seho ny fahaizan’ireto mpanakanto ireto mifehy ny gadon-kira gasigasy. Hanokatra ny seho ny […]

Fampirantiana : Hasongadina ireo vehivavy nanamarika ny tantara

Nisy, ary mbola misy vehivavy misongadina eto Ma­dagasikara. Fampahafanta­rana azy ireny sy ny zava-bitany mitoetra ho an’ny firenena no tanjona amin’ilay fampirantiana «Femmes, audace, héritage : portraits». Nisokatra omaly izy ity, eny amin’ny Mozean’ny saripika eny An­johy. Manomboka any amin’ny tantaran’ireo Mpanjakavavin’i Madagasikara toa an-dRa­navalona voalohany, izay nifikitra tamin’ny nentim-paharazana […]

Sakaizan’ ny Teatra : Hisehatra ny « Le Lamba »

Volana marsa, manamarika ny iray volan’ny teatra. Efa nanokatra izany ny tropy Lisin’Iarivo, ny faran’ny herinandro teo, nitondra an-tsehatra ny “Mitovy fa tsy sahala”, tao amin’ny IFM Analakely. Nitohy tamin’ny fandefasana horonantsary vahiny mirakitra teatra izany, omaly, tao amin’ny IFM. Mbola handray ny Sakaizan’ny Teatra avy ao amin’ny Lycée Rabearivelo […]