Auteur/autrice : Adnews

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina ny sabotsy 22 marsa ho avy izao, eny amin’ny faritra Avaradrano, ny fifaninanana hazakazaka mitety natiora, « Trail Aina no fetra ». Hizara roa ny sokajin-dalao: ny 12 km sy ny 35 km. Marihina fa eny Antsahamarofoza ny toerana hiangana ho an’ireo mpifaninana. Nanainga omaly, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny ekipa […]

Disciples FC – sokajy vehivavy : Hiezaka hitazona ny anaram-boninahitra

Anisan’ireo ekipa mbola manana solontena amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy vehivavy U17 sy Senior ny Disciples FC Vakinankaratra. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny tomponandraikitr’ity klioba ity, vonona izy ireo hiatrika ny fifaninanana. Tanjona ny tsy hamotsotra ny amboara izay efa azon’izy ireo tamin’ny taon-dasa. Tsiahivina fa nandritra ny […]

Atletisma – Mada 2025: Hatao any Ihosy ny Cross-country

Hotanterahina any Ihosy, ny sabotsy 15 marsa ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny Cross-country. Fifaninanana karakarain’ny Federasiona malagasin’ny taranja atletisma (FMA). Fanamarihana ny fanombohan’ny taom-pikatrohana 2025 ihany koa izy ity. Voalohany no hotanterahina ivelan’Antananarivo ity fifaninanam-pirenena amin’ny Cross-country ity. Handray anjara amin’ity avokoa ireo ligim-paritra […]

Barea de Madagascar: Fantatra ny anaran’izy 26 mirahalahy

Navoakan’ny mpanazatra Martins Corentin, omaly, ny anaran’ny mpilalao 26 mirahalahy, handrafitra ny Barea. Efatra no avy eto an-toerana. Hihazo an’i Maroc amin’ny zoma izao izy ireo. Nambara tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy Isoraka, ny anaran’ireo mpilalao 26 mirahalahy mandrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra ny Barea. […]