Auteur/autrice : Adnews

Ekipa nasionaly malagasy: Mpilalao vaovao dimy hantsoina hanatevina ny Barea

Afaka 11 andro eo, hiatrika ny fifanintsanana hahazoana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026” ny Barea de Madagascar. Ho fantatra rahampitso ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny ekipa nasionaly. Araka ny siosion-dresaka mandeha amin’izao fo­to­ana izao, mpilalao dimy vaovao no nantsoin’i Corentin Martins, Frantsay teknisianina mitondra ny ekipa nasionaly malagasy, handrafitra […]

Fanatsarana an’Antananarivo: Skoto 18 000 hifanolo-tanana amin’ny CUA

Nanao sonia fifanarahana fiaraha-miasa ny kaominina Anta­nanarivo Renivohitra sy ny fikambanana skoto nasionaly, ny fikambanan’ny Mpanazava, ny Hetsika skoto, ny Tanora advantista ary ireo skoto anarivony maro. Haharitra herintaona ny fiaraha-miasan’izy ireo. Tanjona ny hampirisihana ny mponin’Antananarivo handray ny andraikiny ho olom-pirenena tomponandraikitra. Manodidina ny 18 000 ireo skoto handray […]

Rakotobe Kristinà: Malagasy voalohany hiatrika ny “March Madness”

Noho ny fandresena azon’ny ekipany UNC Greensboro tamin’ny fifaninanana “Tournoi de conférence”, ny faran’ny herinandro teo, nahazo ny tapakila hiatrehana ny “March Madness”, ny Malagasy mpilalao basikety, Rakotobe Kristinà. Izy no Malagasy voalohany hiatrika ity fifaninanana anisan’ny goavana ho an’ny basikety amerikanina eny anivon’ny Oniversite ity. Lalao goavana fanao isan-taona […]

Ramarolahy Marvross: “Azo baikoina avokoa ny karazana alika rehetra”

Anisan’ireo biby tsy mifankafoy amin’ny olombelona ny alika. Maro karazana izy ireo eto Madagasikara. Maro ny tsy mahafantatra fa azo atao tsara ny mibaiko sy mifehy azy ireny. Biby miavaka eny amin’ny fiarahamonina ny alika. Nisy ny fanadihadiana natao omaly, teny Ambo­hija­tovo, tamin-dRafe­no­miarintsoa Mavross Rama­rolahy, mpibaiko alika na Maître chien. […]

INDRAY MIJERY

Tombanana hiverina an-dranomasina indray ilay rivodoza Jude manomboka ny alakamisy vao maraina ary manambana ny morontsiraka atsimo andrefan’ny Nosy. Hiteraka alondrano any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana sy atsimo andrefana izy manomboka ny alakamisy. Hahery ny ranomasina ka hahatratra 4m ny haavon’ny onja ny alakamisy, eo anelanelan’i Besalampy sy Toliara. Notokanana […]