Auteur/autrice : Adnews

Fivama : “Iankinan’ny fahaleovantena ny fahatokisan-tena”

Nanamarika ny Andron’ny vehivavy ny fikambanan’ny Vaiavy Mandritsara eto Anta­nanarivo (Fivama), ny faran’ny herinandro teo, tetsy Andra­nomena. Fampiofanana sy fizarana traikefa no nataon’ny samy mpikambana niaraka tamin’ireo matihanina amin’ny fizarana fahaiza-manao tamin’izany. “Antoky ny fahaleovantena ny fananana fahatokisan-tena, izany indrindra ny anton’ny fampiofanana ireo mpikambana”, hoy ny filohan’ity fikambanana ity, […]

Mahajanga: Tanora 20 nahazo mari-piofanana

Vokatry ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA), vehivavy tanora miisa 20 no notolorana mari-piofanana tamin’ny sehatry ny tourisme villageois, tany Mahajanga, ny faran’ny herinandro teo. Nisitraka « kit de démarrage », ahitana spatule, rouleau, bol inox, moule à pain, lafaoro […]

Fiofanana Hope tany Mahajanga: Nampahafantarana ny tanjona mila tratrarin’ny zatovovavy

Anisan’ny voaasa manokana nanatrika ny lanonam-pankalazana ny Andron’ny 8 marsa sy nitondra ny hira “Efa niova” ny Cabinet Henka Suru. Lasa hira fanevan’ireo zatovovavy miisa 300 io hira io taorian’ny roa andro nanaovana ny fiofanana. Namaranana ny fankalazana ny Andro maneran-tany momba ny zon’ny vehivavy, ny faran’ny herinandro teo, tany […]

Fitantanana: Miahiahy ny fampiasana vola ny MMM

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, omaly. Anisan’ny nambaran’izy ireo, tamin’izany, ny fisaorany ny eo anivon’ny solontena maharitry ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) tamin’ny alalan’ny famatsiam-bola azo tamin’ny farany teo. Efa nanoratra mialoha tany amin’ity rafitra ara-bola maneran-tany ity rahateo ny antoko MMM. Na izany aza, hentitra ny fanambaran’izy […]

“Alefa Madagascar 2025”: Hifandona ny Team des Héros sy ny Madagascar All Stars

Hotanterahina eo amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny 26 marsa ho avy izao, ny lalao ara-pirahalahiana “Alefa Ma­da­gascar 2025”, hihaonan’ny Team des Héros, ivondronan’ireo kalaza any ivelany, sy ny Madagascar All Stars, ikambanan’ireo olo-malaza eto an-toerana. Tsiahivina fa ity hetsika ity hiarahan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) sy ny orinasa […]