Efa miketrika ny hanatanterahana ny fifidianana izay ho lehiben’ny faritra ny Ceni. Nambaran’ny mpitondra teny, Soava Andriamarotafika, fa tokony ho fa efa eo am-pandrafetana ny hirosoana amin’izany izy ireo. “Vinavinaina hatao ny fifidianana ny filohan’ny faritra sy ireo mpanolotsain’ny faritra ary ny mpanolotsaina isam-paritany”, hoy izy. Maromaro ireo tomponandraikitry ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Sampandraharahan’ny Fananantany: Nomen’ny MFFT fitaovana ny any Maevatanàna
Midina ifotony hatrany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) amin’ny alalan’ny sampandraharaha eo aminy. Anisan’ izany ny misahana ny fananantany (DGSF). Nitsidika ny biraon’ny fananantany tany Maevatanàna izy ireo, omaly. Anisan’ny anton’izany ny fijerena ireo olana sy ny hitondrana vahaolana eny ifotony manoloana ny fananantany. […]
Indroa mahita ny maizina
Trangam-piarahamonina mampikaikaika ny maro ny vono olona etsy sy eroa. Miaina anaty tahotra sy ahiahy andro aman’alina ny sarambabem-bahoaka. Sahiran-kevitra amin’ny zava-miseho ny madinika, tsy mba manana basy aman-tafondro hiarovan-tena. Atody miady amam-bato ny sokajin’olona marefo amin’izao fotoana izao. Manao izay danin’ny kibony rahateo ny mpanao ratsy. Voatondro molotra […]
Holafitry ny mpisolovava : “Maimaimpoana ny fiarovana ny marefo”
Nifarana omaly, tetsy Anosy ny fikaonandoha iraisam-pirenena eo amin’ireo mpisolovava. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny avy amin’ny Holafitry ny mpisolovava eto Madagasikara. Nambaran’ny lehiben’ny Holafitra, ny Me Raondry Alain, fa mandrotsaka latsakemboka ny fanjakana ho amin’ny lafiny fiarovana. “Maimaimpoana ny fahazoan’ireo marefo mpisolovava raha ny voalazan’ny lalàna amin’ny ady madio. […]
TSELATRA
Fasana 15 nisy namaky tany Maintirano. Nampandre ny polisy ny sefo fokontany tao Ampasimanondro, distrikan’i Maintirano, omaly maraina tamin’ny 6 ora, fa nahitana vaky fasana tao an-toerana. Nijery ifotony avy hatrany ny polisy ka nanamarina ny tranga. Fantatra fa 15 ny fasana nisy namaky. Nikaroka zava-tsarobidy nampiarahana tamin’ny razana ireo […]




