Taorian’ny fahatrarana bolongam-bolamena tetsy amin’ ny seranam-piaramanidina Ivato, ny alahady 13 septambra lasa teo, olona enina voampanga tamin’izany no naiditra vonjimaika eny amin’ ny fonjaben’Antanimora sy Avaradrano. Valin’ny fitsarana rehefa avy nohenoina sy nampiakarina fampanoavana teo anoloan’ny mpitsara mpanao famotorana tetsy amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) 67 Ha, afakomaly, […]
Auteur/autrice : Adnews
Vohemar: Mpivady niara-hita faty
Vatana mangatsiaka an’ny mpivady no hany sisa hitan’ny fianakaviany tao Tanimbaribe Andranomamy, fokontany Androrona, distrikan’i Vohemar, omaly. Nisy fifamaliana sy disadisa teo amin’ilay rangahy sy ny vadiny ny harivan’ny alarobia 16 septambra lasa teo, araka ny loharanom-baovao. Niditra an-tsehatra nandamina ny raharaha ny mpiara-monina. Noheverin’izy ireo fa efa milamina io […]
Jiolahy ikoizana teny Ampitatafika : Voatifitry ny zandary teo amin’ny lohany Ra-tantely
Maty voatifitry ny zandary, omaly maraina, Ra-Tantely, jiolahy raindahiny saika hanafika sy nanakorontana teny Ampitatafika. Mpanafika ikoizana sy mpamerin-keloka izy. Efa nanafika Cash point sy nahafaty olona iray teny an-toerana, ny taona 2023. Jiolahy iray antsoina hoe Ra-Tantely indray no lavon’ny balan’ny zandary, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 4 ora […]
Jiu-jitsu Brezilianina : Malagasy 10 hiatrika ny amboara maneran-tany
Efa ao anatin’ny fanomanana sahady ny fiadiana ny amboara maneran-tany amin’ ny taranja haiady Jiujitsu brezilianina hotanterahina any Dubaï, ny volana novambra ho avy izao, ny Malagasy. Mikasa ny handefa mpikatroka miisa folo ny rafitra federaly eto an-toerana, raha ny fanazavan-dRakotozafy Johary, filohan’ny Federasionina malagasin’ity taranja ity. Hanana solontena amin’ireo […]
SOMBIM-BAOVAO
Hivoaka anio, 17 septambra ao amin’ny pejin’ ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy Barean’i Madagasikara, izay hifandona amin’i Nigeria sy Tanzania, mandritra ny fifanintsanana Can 2027. Andrasana amin’io fotoana io, ny anaran’ ireo mpilalao vaovao nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra. Efa mandeha ny fampivondronana […]





