Ny alakamisy lasa teo ny fotoana niarahan’ny mpanabe, notarihin’ny lehiben’ny fanabeazam- pirenena, nandinihina ny naoty farany ambany ho an’ny mpiadina tamin’ny fanadinana BEPC 2026. Natao tao amin’ny CEG de référence Ambodimanga izany, ho an’ny tanànan’i Toamasina Renivohitra. Niarahan’ny rehetra nanapaka fa naoty 9,50/20 no eken’izy ireo ka nahazoana ny taham-pahafahana […]
Auteur/autrice : Adnews
Nanatona vahoaka ny ESIA: Nitily maimaimpoana ny diabeta sy ny tosidra
Nanao fitiliana maimaimpoana ny diabeta sy ny tosidra avo (HTA) ho an’ny daholobe monina ao amin’ny fokontany manodidina ny ivontoeram-pitsaboana, eny Andranomena, ny ESIA, mpitsabo misahana ny fahasalaman’ny mpiasa. Ny diabeta sy ny fiakaran’ny tosidra no anisan’ny aretina mitaiza izay matetika tsy ahitana soritraretina mialoha nefa mety hiteraka fahasarotana lehibe […]
Fandraharahana ho an’ny tanora : Nahazo famatsiam-bola avokoa ny tetikasa miisa 10
Misongadina hatrany ny tanora malagasy ao anatin’ny fifaninanana tetikasa fandraharahana mitrandraka ny haivao, karakarain’ny Confejes. Nisitraka famatsiam-bola avokoa ny tetikasa 10 avy eto Madagasikara nifaninana ho an’ny famaranana. Nahazo famatsiam-bola avokoa ny tetikasa fandraharahana miisa 10 naroson’ny tanora malagasy nifaninana tamin’ny Fandaharanasa fampiroboroboana ny fandraharahan’ny tanora (PPEJ/ CTSO) 2026 an’ny […]
Baolina kitra – D2 Nasionaly : Hiady ny tapakila ny Disciples FC sy ny Toulon
Hotanterahina ao amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, rahampitso, ny lalao famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja baolina kitra. Hiady ny amboara sy ny medaly volamena, amin’izany, ny ekipan’ny Disciples FC Espoir sy ny Toulon Academy Football. Raha hiverenana kely ny manasa-dalan’izy ireo, lavon’ny Disciples tamin’ny isa 2 no ho 0, […]
CAMS : Nivoaka ny andiany faha-7 “Rohi”
Mpisehatra eo amin’ny fanatanjahantena 17 mianadahy no nahavita ny fiofanana Cams (Cours Avancés en Management du Sport), ka navoaka ofisialy, teny amin’ny Sky Blue Ankadindrarombo, omaly. Andiany faha-7 ity nivoaka ity izay mitondra ny anarana “Rohi”, izay midika hoe fifandraisana (Rafitra-Orina-Hetsika-Ivoniainy). Taranjam-panatanjahantena 17 no nanana solontena tamin’ity fiofanana ity, ka […]




