Auteur/autrice : Adnews

Lehilahy hatao hazalambo: norasarasainy tamin’ny antsy ny vadiny syny rafozany

Mpianaka niara-voarasa antsy ka namoy ny ainy ilay zanaka vavy, tao Sambava, omaly maraina. Hifampitadiavana ilay nanao habibiana. Norasarasaim-badiny tamin’ny antsy, namoy ny ainy ny vehivavy iray tao amin’ny fokontany Ambo­hitrakongona, Kaominina Sam­bava, omaly maraina. Nanam­paran’io lehilahy io ha­bibiana ny vadiny sy ny rafozam-baviny, tamin’ny 2 ora maraina. Niditra an-keriny […]

Fivoriana any Malawi : Nodinihin’ny Sadc ny olan’i Madagasikara

Nisokatra omaly, any Ma­la­wi, ny fivorian’ny komity ivondronan’ireo minisitra mi­vondro­na eo anivon’ny Sadc. Nivoitra tamin’izany fa manaraka akaiky ny toe-draharaha politika eto Madagasikara ny Sadc. Ani­san’izany ny fanatanterahana ireo dingana hiverenana amin’ny ara-dalàna araka ny lalàmpanorenana. Notsindrin’ireo mpivory fa anisan’ny vahaolana ny fifampidinihana andraisan’ireo mpisehatra rehetra anjara mba hipetrahan’ny fitoniana […]

160 taonan’ny gazety malagasy : Hananganana tranobe iombonana

Nosokafana omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fa­natanjahantena sy ny ko­lontsaina Imahamasina, ny fankalazana ny faha-160 taonan’ny gazety malagasy (Gama) voalohany teto Ma­dagasikara. Nahalalan’ny olona izany voalohany, ny Teny soa Analanandro. Mbola hisy ny ivon’ny fankalazana ary hofaranana amin’ny fa­nanganana tranobe iombonana, izay tsangambato ho an’ ny asa fanaovan-gazety izany. Tsy hiankina […]

Lalao famaranana : Hiady ny amboara ry Messi sy ry Yamal

Ho fantatra rahampitso izay hibata ny amboara volamena amin’ny andiany faha-23 ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”. Hamarana izany ny La Furia Roja Espagne sy ny Albiceleste Argentine, tompondaka farany. Hotanterahina rahampitso alahady, ao amin’ny Kianja New-York New Jersey, ny famaranana hiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny baolina […]