Auteur/autrice : Adnews

Fiarovana ny ankizy: Nampitaovana ny laharana maitso 147 ny Unicef

Nanao sonia fiaraha-miasa ny solontenan’ny Unicef, i Christine Jaulmes sy ny Filohan’ny delegasionina manokan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, Ralambomanana Feno, tamin’ity herinandro ity. Miompana amin’ny fampitaovana ny foibe fandraisana antso maimaimpoana amin’ny laharana maitso 147 sy ny drafitrasa iraisana ho fanamafisana ny rafitra fiarovana ny ankizy ny fifanarahana izany. Sady ho […]

Filaminana an-dranomasina : Hamoaka paikady handrindrana asa ny mpisehatra

Nosantarina omaly, teny amin’ny foiben’ny Centre de fusion d’informations maritimes (CFIM) Ankaditoho-Soaniera, ny atrikasa momba ny fitantanana sy ny fitandroana ny filaminana an-dranomasina. Tafiditra amin’ny fandaharanasa Safe Seas Africa izany. “Hatramin’izay, nohamaivanina ny fiarovana ny sisin-dranomasin’i Madagasikara. Tsy manana na sambo iray mpiady aza isika”, hoy ny Prai­minisitra Rajaonarison Mami­tiana […]

TARATRY ny KANTO

Hiditra amin’ny dingana faharoa ny fampianarana. Tao anatin’ny 9 volana, nomena fahalalana momba ny solfezy sy ny tontolon’ny valiha sy ny fiarahamonina malagasy ny mpianatra eo anivon’ny Valiha Académie. Fantatra, omaly, fa manomboka ny sabotsy 18 jolay izao, hifantoka any amin’ny fampahafantarana sy fitendrena ny karazana velom-baliha misy izy ireo. […]

Fitoriana an-kira : 60 taona ny antoko mpihira Anjomara Frenjy

Febroary 1966, tetsy amin’ny foibe Frenjy Faravohitra, teraka ny antoko mpihira Anjo­mara Frenjy. Ankehitriny, sampana mijoro eo anivon’ny FJKM Ambalavao Isotry izy io. Antom-pisian’ny Anjomara Frenjy (AFAI) ny hitory sy ha­napariaka ny Filazantsara voarakitra anaty Baiboly sy ireo toriteny eny anivon’ny fiangonana. Ireo, rahateo, no akora fototra entin-dRakotoa­risoa Raymond mandrafitra […]

Manandratra ny vita malagasy: Lasa ambasadaoron’ny World Cola i Denise

Dingana iray indray ho an’i Denise. Tetikasa maro no iarahany manatontosa amin’ny World Cola, manomboka izao. Fampiroboroana hatrany ny vita malagasy no tanjona. «Mahafaly anay ny mampahafantatra anareo fa ma­nomboka anio dia ambasadaoron’ny World Cola i Deni­se». Io ny nambaran’i Randja Bryan, tomponandraikitr’ity zava-pisotro vokarin’ny orinasa Star ity, omaly, tetsy […]