Fahombiazana tanteraka ny dian’ny maître Razanajatovo Gildas tany Thaïlande. Nandritra ny roa volana izy no nianatra sy niofana tao amin’ny Muay thai Institute Rangsit International ary nahazo ny mari-pahaizana IS2 sy IS3 ho an’ny “instructeur international”. Ady totohondry izay natao tao Pattaya, tao amin’ny Max Muay Stadium, ny sabotsy lasa teo, […]
Auteur/autrice : Adnews
Amboaran’ny CAF : Ahina tsy hanana solontena i Madagasikara
Klioba roa amin’ireo efatra mbola anaty fifanintsanana “Yas Coupe de Madagasikara” no manana ny “Licence de club Caf”, raha ny voalazan’ny loharanom-baovao iray. Ahina ho sarotra ny raharaha raha tsy tafita amin’ny famaranana ireo ekipa roa ireo. Hotontosaina ny alarobia 22 jolay ho avy izao, eto Antananarivo, ny lalao manasa-dalan’ny […]
FFKM : «Miantso ny mpitondra hanohy ny fandraisana andraikitra»
“Miantso ny tomponandraikitra rehetra izahay mba hanohy hatrany ny fandraisanareo andraikitra sy ny fepetra rehetra am-pahamarinana sy am-pahitsiana ao anatin’ny fangaraharana tanteraka mba tsy hiverenan’ny loza tahaka izao intsony”. Io ny fanambaran’ny FFKM, tarihin’ny filohany, ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, ny fiandohan’ny herinandro teo, manoloana ny fahaverezana olona sy famoizana […]
16 TAONA ATY AORIANA : Hamerina ny zava-bitany i Espagne
Tafakatra indray any amin’ny dingan’ny famaranana ny ekipam-pirenena La Roja Espaniola rehefa tsy nahita izany nandritra ny 16 taona. Hiezaka ny hamerina ny zava-bitany tamin’ny taona 2010 ry zareo. “16 taona aty aoriana !” Izay indray vao tafita hiatrika ny famaranan’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja baolina kitra, “Mondial”, ny […]
Mpox aty Afrika : Natomboka eto Madagasikara ny «essai clinique»
Tanterahina eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao, ny «essai clinique Mpox Study in Africa (Mosa) » izay fitsapana ara-pitsaboana panafrikana voalohany mampiasa fomba fikarohana azo ampifanarahana ho an’ny fitsaboana ny Mpox. Efa natao ny 23 sy 24 avrily teo, niaraka tamin’ny ekipan’ny CHU Andohatapenaka Antananarivo, ny fanomanana sy fametrahana ny toerana hanaovana ny fikarohana. […]




