Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Anisan’ny harenina ny ampahan-dalana eo amin’ny PK48- PK68 amin’ny RN2. Ankoatra ny fanamboarana ny arabe, hatsaraina sady hamafisina koa ny sisin-dalana sy ny tatatra. Eo am-pamaranana ny fikikisana ny soson-dalana efa simba, ankehitriny. Hanom­boka ny fametrahana sosona fototra sy ny fandrarahana godirao. Manatanteraka ny asa ny orinasa CGC. Tontosaina eto […]

Mineraly ho an’ny angovo: Voafaritra ny paikadim-pirenena

Naneho ny vina sy ny paikady momba ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana mineraly i Madagasi­kara, nandritra ny fivoriana momba ireo mineraly tena ilaina amin’ny fiovan’ny angovo fampiasa maneran-tany, tany New York. “Tanjona ny hampitombo ny sandan’ny harena an-kibon’ny tany amin’ny alalan’ny fanodinana azy eto an-toerana”, hoy ny minisitry […]

« SIAE 2026 »: Ambohipihaonan’ireo mpisehatra ara-toekarena

Hotanterahina ny 19 ka hatramin’ny 22 novambra, eny amin’ny CCI Ivato, ny Salon international des acteurs économiques (SIAE). Hetsika lehibe natokana hampiroboroboana ny indostria sy ny toekarena eto Madagasikara. Kendrena ny hampivondrona ireo mpisehatra rehetra ho an’ny famokarana, manodina akora, mitondra vahaolana ary mamokatra asa ho an’ny Malagasy. Ambohipihaonan’ireo mpiara-miombon’ […]

Tambajotra RIA-Jirama : Mihena ny haavon’ny riandrano ao Andekaleka sy Mandraka

Tsy ampy ny herinaratra vokarin’ny Jirama eto Antananarivo, vokatry ny fihenan’ny haavon’ny riandrano any amin’ny tohodranon’Andekaleka sy Mandraka. Vahaolana ny hampiasana ny milina mpamokatra mandeha amin’ny solika. Nitondra fanazavana ny talen’ny Tambazotra iraisan’Antananarivo (RIA), Rakotonandraina Solofonantenaina, momba ny tsy fahampian’ny herinaratra amin’izao fotoana izao. Tsara kokoa ny zava-misy, ankehitriny, raha […]

FANTINA sy FINTINA

Loza mitatao raha avela hitohy ny fitsaram-bahoaka, araka ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Mampanjaka ny herisetra, ny valifaty ary ny tahotra izany. « Mila fanavaozana ny rafi-pitsarana hiverenan’ny fitokisan’ny olona. Tokony hanomboka amin’ny fanadihadiana izany ka hatramin’ny famoahana didy », hoy izy. Hiara-kiasa hiady amin’ny kolikoly ny Bianco sy […]