Takalon-kanto lasa tarika. Tetikasa niofo ho fampisehoana. Ireo tia mozika vaovao no efa dodona hahita sy handre ny fampisehoana hataon’ny Dia Dia Maloya, ny alarobia 13 mey izao, manomboka amin’ny 7 ora hariva, etsy amin’ny IFM Analakely. Takalon-kanto satria misy fanambarana talenta avy amina Malagasy sy Renioney mpanakanto ao. Samy […]
Auteur/autrice : Adnews
Zavakanto : Misongadina hatrany ny « Ka…Laza… »
Ilaina ny laza amin’ny maha mpanakanto. Tsy tadiavina kosa anefa fa tonga ho azy. Atao izay mampalaza fa tsy terena. Na fihetsika sy fiteny, fantatra fa manimba ny soatoavina izao aza, atao sy tenenina ihany satria te halaza. Mba te ho lazaina hoe «kalaza» ihany koa. Voafaritra mazava eto, fa […]
Tranoben’ny IHF: Nanatrika ny fitokanana ny filohan’ny FMHB
Notokanana omaly, tany Bâle Suisse, ny foiben-toerana vaovaon’ny International Handball Federation. Trano maoderina ahitana rihana enina izy ity, izay hiasan’ny Federasionina iraisam-pirenena manomboka izao. Nahazo fanasana avy amin’ny Dr Hassan, filohan’ny IHB, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny handball, Ratsimandao Andriamanga, ka nanatrika izany tany an-toerana. Nambaran’ity mpitantana ny taranja handball eto […]
Kianja Barea Mahamasina : Hovain’ny fanjakana ho « hybride » ny bozaka
Fantatra fa ovaina ho bozaka “hybride” ilay natoraly nitsiry ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina hatramin’izay. Haharitra enim-bolana ny asa. Havaozina ny bozaka! Fantatra, afakomaly, fa hiroso amin’ny fanamboarana ny bozaky ny Kianja Barea Mahamasina ho lasa “hybride”, ny fanjakana. Fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra notanterahina afakomaly. Ny minisiteran’ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Tazomina ho 12% ny tahan’ny zanabola fototra (taux directeur), araka ny tapaky ny komity politika ara-bola eo anivon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Tanjona ny hampihena ho 5% ny vidim-piainana manoloana ny zava-misy maneran-tany. Efa nihena ny vidim-piainana teto amintsika tamin’ny fiandohan’ny taona 2026, saingy niakatra ho 6,1% ny volana janoary […]




