Hotanterahina anio sy rahampitso, eny amin’ny Kianja CFFA Iavoloha, ny lalao ampahefa-dalana “Grand Tournoi Antananarivo (GTA)”, taranja baolina kitra. Ho fantatra eo ireo ekipa 4 hiatrika ny manasa-dalana amin’izany. Ho toy ny famaranana avokoa ny fifanandrinana. Anisan’izany ny an’ny AS Fanalamanga sy ny Avenir Ste Anne ary ny an’ny CFFA […]
Auteur/autrice : Adnews
Bodybuilding-Maneran-tany : nanainga omaly alina ny delegasiona malagasy
Hatao ny 5 hatramin’ny 11 novambra izao, any Maldives, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja Bodybulding. Omaly alina no nanainga ny delegasiona malagasy hiatrika ity fifaninanana ity. Atleta 4 mianadahy, tarihin’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny Bodybuilding, i Georgi Vernier, no hisolo tena an’i Madagasikara any Maldives, mandritra ny fiadiana ny […]
Hisorohana ny homamiadana: Ilaina ny fitiliana ny vozon’ny tranon-jaza
Nanao hetsika nitily maimaimpoana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza manerana ny distrika maro ny fitondram-panjakana sy ny mpiray ombon’antoka nandritra ny volana oktobra, izay volana natokana hiadiana amin’ireo karazana homamiadana mpiseho amin’ny vehivavy. Tao amin’ny CSB II Ambalavato, ho an’ny distrikan’Antsirabe, no nanatanterahina izany, tamin’ity herinandro ity. “Fitiliana […]
Fiomanana amin’ny fahavaratra : mamarana ny fanadiovana tatatra ny etsy Ampitatafika
Manatanteraka asa tanamaro mahakasika ny fanadiovana tatatra ny etsy Antanimenabe Ampitatafika, amin’izao fotoana izao. “Tatatra manamorona ny lalam-pirenena voalohany sy ny fokontany vaovao Ambodiafontsy sy Andrefambohitra ary mihazo an’Ankaditany. Diovina ny tatatra ho fiomanana amin’ny fahatongavan’ny fahavaratra. Mahatonga tondradrano madinika amin’ny toerana iva eny an-toerana ny fahatsentsenan’ny lakandrano ka antony […]
Haino vaky jery : Niofana momba ny zo ara-pananahana
Nampiofana mpanao gazety maromaro avy amin’ny haino vaky jery tany Antsirabe nandritra ny hateloana ny Forum Generation Egalité (FGE), momba ny zo sy ny fahasalamana ara-pananahana (SDSR). Antony nisafidianana ny lohahevitra ny fahitana ny firongatry ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo. Eo koa ny fahatsapana fa vitsy ny isan’ny […]




