Miaraka amin’ny zanany vavy manatona ny CSB II Ambalavato ny renim-pianakaviana hisafidy ny fomba fanabeazana aizana sahaza azy ireo. Efa nivoatra ny toe-tsaina ary nahatsapa izy ireo fa ilaina ny miaro ny taranaka amin’ny vohoka tsy iriana. 80 ka hatramin’ny 100 isan’andro ny olona tonga manatona ny CSB II Ambalavato […]
Auteur/autrice : Adnews
INDRAY MIJERY
Nanohana ny kaominina Toamasina amin’ny fanontana ny torolalana mahakasika ny fanaovan-draharaha sy torolalana ho an’ny olom-pirenena, ho fampahafantarana ireo sampandraharaha isan-tsokajiny eo anivon’ny kaominina, ny USAID. Tanjona ny hanamafisana ny mangarahara sy hanatsarana ny fahombiazan’ny tolotra eo anivon’ny kaominina. Hanamafy ny fitokisana sy fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fitantanana eny ifotony ihany […]
Faritra Anôsy: Havaozina ny rakitsarim-paritra
Natomboka tamin’ity herinandro ity, ny fanavaozana ny rakitsarim-paritra (Srat) ao amin’ny faritra Anôsy. Haharitra enim-bolana ny fanatanterahana ny karazana dingana rehetra hahavitana izany. Fototra hitantanana ny fampandrosoana mba ny fanavaozana tsy maintsy hatao, araka ny vina napetraka ho tratrarina mandritra ny 20 taona, hoy ny governora Rakotovelomanantsoa Voahary. Voafaritra amin’ny […]
Ady amin’ny tazomoka: Lay miisa 14,9 tapitrisa hozaraina manerana ny Nosy
Mbola mamono eto Madagasikara ny tazomoka. Anisan’ny aretina voalohany hanatonan’ny marary ny tobim-pahazalamana izany. Hisy ny fizarana lay misy odimoka miisa 14,9 tapitrisa manerana ny Nosy. Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fizarana lay misy odimoka isan-tokantrano, manerana ny Nosy. Miisa 14,9 tapitrisa ny lay hozaraina hiarovana olona 28 tapitrisa amin’ny […]
TARATRY ny KANTO
Hitohy ny “Week-end mitorajofo” eny Imerintsiatosika. Taorian’ny hiragasy nifanandrinan’ny tarika Ramilison Besigara sy ry Sahondrafinina, omaly, handray an’i Agrad indray ny kianja malalaka LVTT Imerintsiatosika, anio. Hofaranan’ny tarika zandry Gasy amin’ny “Bà gasy mazia romotra” kosa izany ny alahady 3 novambra. Fiverenana any amin’ny fototra. Samy mibobobobo amin’ny filazana azy […]




