Notanterahina omaly ny fanaovan-tsonia ny « Record of discussion » mahakasika ny tetikasa fiaraha-miasa ara-teknika ny « Projet de développement des ressources humaines dans le secteur de l’industrie minière ». Tanjona ny hanamafisana ny kalitaon’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Eo koa […]
Auteur/autrice : Adnews
Fakan-kevitra ho an’ny tanora: Miroso amin’ny dingana farany ny fanjakana
Nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré, omaly, tetsy Andakana, fa efa mizotra mankany amin’ny dingana na fandravonana farany mahakasika an’ity fakan-kevitra ho an’ny tanora ity ny minisitera. Raha tsy misy ny fiovana farany, hatao ny faran’ny volana jolay ho avy izao, eto Antananarivo, ny fandravonana […]
TARATRY ny KANTO
Ho tafaraka indray ny tarika Feo Gasy. Nanambara i Eric Manana, omaly, fa hisy ny seho hataon’ny tarika Feo Gasy any France. Hanomboka ny 4 septambra ao Montpellier izany, avy eo handalo tanàn-dehibe maro. Hiainga avy aty Madagasikara ry Benny sy Nini, hamonjy an’i Erick Manana sy i Pasy. Hiara-dalana […]
Angola Bagasy: Hamelomaso ireo hira tsy tontan’ny ela
Tafatsangana ny tarika Angola Bagasy. Mahalaza be ny anarany, satria ny hamelomaso ireo hira tsy tontan’ny ela no tanjona voalohany tamin’izany. Mpanakanto efa nilomano ela tanatin’ny bagasy rahateo no niara-niketrika an’izany. Zokiny indrindra ao amin’ny tarika i Beauzaka, izay fantatra indrindra amin’ny fanaovana hira misy hatsikana. Anisan’ny angadiny ny famerenana […]
Boky: Nohatevenina ny « Valihan’Ikaky »
Hatramin’izao, mbola ity boky tokana ity ihany no mirakitra zava-droa loha mifameno. Fampianarana valiha sy fampianarana teny malagasy. Fantatra, omaly, fa nohatevenina ny voarakitra ao anatin’ny laharana faharoa izay hivoaka tsy ho ela. Tany am-piandohana, ireo Malagasy monina any ivelany no nokendrena. Maro amin’izy ireny mantsy no mitaky ny hahay […]




