Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny Iavoloha, ny andro farany fiadiana ny ho tompondakan’ny “Grand Tournoi Antananarivo (GTA)”. Nihintsana teo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona ny ekipan’ny Disciples Fc Vakinankaratra, tompondaka faran’ny GTA. Resin’ny CFFA Andoharanofotsy, tamin’ny isa 3 no ho 1, izy ireo. Raha tsiahivina, lavon’ny mpilalaon’Andoharanofotsy, 2 no ho 0, […]
Auteur/autrice : Adnews
“Cosafa, sokajy vehivavy” : Kely ny herijikan’ny Barea de Madagascar
Nidina ho eo amin’ny laharana fahatelo ny ekipam-pirenena Barea de Madagasikara, sokajy vehivavy, ny sabotsy lasa teo, nandritra ny andro faharoan’ny “Cosafa Women’s Cup”, izay atao any Afrika Atsimo. Resin’i Malawi, 1 no ho 0, i Madagasikara. Sarotra ny ady ho an’ny Barea, vehivavy. Nilatsaka ho laharana fahatelon’ny vondrona “B” […]
TARATRY ny KANTO
“Eto ry Lala…”, namelombelona ny fahiny. Nankafy ireo mpiondana ny hiran’ny omaly, tetsy amin’ny Havoria Anosy, omaly. Nomena aina vao ireo hiran’i Therack, novelomin’ny tarika Voamaintilany, Voara, Avelo Nidor ary Ratsifa. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka, ny hetsika nokarakarain’ireo mpankafy gadona Rock metaly. Fampisehoana niarahana […]
Big Studio : hamokatra ireo tanora mpanakanto
Rivo-baovao ho an’ny tontolon’ny tsenan’ny mozika eto Madagasikara. Hanampy isa ireo trano mpamokatra fampisehoana sy rakikira eto Madagasikara ny Big Sound. Nisy ny fampahafantarana ny sehatrasa hironan’izy ireo, ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona. «I Wendy Catalina no mpanakanto entinay eo amin’ny sehatra iraim-pirenena voalohany. Fa miara-miasa […]
Lalatiana : Seho nanaovam-beloma vetivety
Vao vita ny seho, nihazo ny seranam-piaramanidina avy hatrany i Lalatiana. Feno fihetseham-po tanteraka ny seho izay notontosainy tetsy amin’ny Tanàna Zoari Ilafy, omaly alahady. Nentiny nanaovam-beloma vetivety ireo mpankafy eto an-tanindrazana mantsy izany, no namaliana ny fangatahan’ireo tsy nahita na mbola tsy afapo tamin’ny seho tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena […]




