Auteur/autrice : Adnews

Jly Ravalomanana Richard: “Aoka hotandrovana hatrany ny fihavanana”

Notanterahina teny Ambo­himanga, ny faran’ny herinandro teo, ny fametrahana ho filoham-boninahitry ny Mpi­anatra ambaratonga ambony, mpiasa, mpandraharaha, maintimolaly, avy amin’ny faritanin’Antananarivo miray (Mafami), ny Jly Ravalo­manana Richard. Nambaran’ ny filohan’ny Antenimieran­doholona fa tokony hanana toe-tsaina miabo sy mandala ny firaisankina hatrany ireo mpikambana. “Aoka hotandrovana hatrany ny fihavanana. Tokony hialana […]

Tia vao !

  Niverina sa naverina ny marimarina kokoa ny hery manokana eny anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Raha nalaza « ratsy » tamin’ny ady toerana ny kolonely roa lahy, mpinamana, saingy nifamadika ny hery manokana na ny FIS tamin’ny tetezamita dia am-perinasa izany ny hery vonjy taitra manokana GFSI, izay efa nankalaza ny tsingerin-taonany […]

Justice et Paix: “Mpifaninana fa tsy mpifahavalo ny mpanao politika”

Nitondra hafatra momba ny fanaovana politika eto Madagasikara ny Justice et Paix. ”Mpifaninana fa tsy mpifahavalo ny mpanao politika”, hoy izy ireo. “Iangaviana ianareo mpanao politika mba hanana toe-tsaina mpifaninana fa tsy mpifahavalo. Satria samy milaza fa tia tanindrazana”. Io no anisan’ny hafatra nampitain’ny vaomieran’ny Justice et Paix eo anivon’ny […]

Dahalo : maty voatifitry ny zandary i Noromanga

Lavon’ny balan’ny zandary, nandritra ny fifandonana, ny dahalo raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe i Noroman­ga, tao Andramasina, ny faran’ny herinandro teo. Nahazo loharanom-baovao momba ity dahalo ity ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Behenjy fa mihaodihaody ao Bemasoandro, kaominina ambanivohitr’i Behenjy, distrikan’ Ambatolampy, izy tamin’io fotoana io. Nanao vela-pandrika ny […]

Vehivavy nidoboka am-ponja : olona fito voasoloky 21 tapitrisa Ariary

Vehivavy iray anatin’ny tambajotra misandoka ho mpandefa mpiasa any Ca­nada, naiditra am-ponja ny 18 oktobra lasa teo. “Tao amin’ny tambajotran-tserasera facebook no nahalalako io rangahy io, ny 17 desambra 2023”, hoy ny fanazavan’ny renim-pianakaviana iray lasibatra. Resy lahatra tamin’ny fampanantenana nomena azy io ramatoa io fa afaka hi­asa any ivelany […]