Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Tohizana ny famatsiana solika ho tahiry ho an’ny orinasa Jirama hiantohana ny famatsiana herinaratra eto Antananarivo. Efa ho iray volana izao no miaina anatin’ny fahatapahan-jiro lavareny ny mponina. Mitombo isan’andro ihany koa ny faharetan’ny delestazy raha toa ka voalaza fa ho ora roa isan’andro izany. Ankehitriny, mananika ny ora enina […]

Tetikasa fihariana: Mitety faritra mampahafantatra ny fandraharahana

Napetraky ny fanjakana ha­nohanana ny fandraharahana ny fandaharanasa Fiha­ri­ana. Nanomboka ny taona 2019, nahatratra 87 000 ny na­hazo tohana taminy, manerana ny faritra 23, nahazo fa­ma­tsiam-bola mitentina 199 miliara Ar. Disitrika 4 (Samba­va, Antalaha, Andapa, Vohe­mar) any Sava, no nandehanan’ny ekipan’ny Fihariana ny 20-24 mey teo. Nohainoina ny filan’ny mpandraharaha, […]

Fitrandrahana : Ambatovy, orinasa mpitrandraka tomponandraikitra

Nampahafantatra ny anjara asan’Ambatovy eo amin’ny tontolo iainana sy ara-tsosialy nandritra ny varavarana misokatra nataony teny amin’ny Mining Business Center (MBC) Ivato, ny orinasa, ny 3 ka hatramin’ny anio 7 jona. Nozaraina ireo fanamby atrehin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny ta­ny eto Madagasikara sy ny anjara birikiny ho fampandrosoana ny toekarena. […]

SOMBIM-BAOVAO

Tafita hiatrika ny famaranan’ny UEFA Nations Ligue, taranja baolina kitra, any Eoropa, i Espagne sy Portugal. Hotontosaina ny alahady ho avy izao moa izany, any Allemagne ihany. Tsiahivina fa i Espagne no tompondakan’i Eoropa farany teo. Nalaza sy nahoraka tao anaty tambajotran-tserasera ny resaka fampivondronana ny Barea de Madagascar any […]