Auteur/autrice : Adnews

Tsipy kanetibe – Afrique Zone 4 : Ekipa roa hisolo tena an’i Madagasikara

Hiady ny tapakila ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, faritra faha-4, taranja tsipy kanetibe, olon-telo miaraka, lehilahy, i Madagasikara. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny faritra faha-4 amin’ny taranja tsipy kanetibe, olon-telo miaraka, lehilahy, i Madagasikara. Fifaninanana hotanterahina atsy Maurice, ny 27 avrily – alahady 3 […]

INDRAY MIJERY

Nampahafantarina tamin’ity herinandro ity ny fanombohan’ny tetikasa Tomady, izay dingana vaovao ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Haharitra telo taona ny tetikasa, hiompana amin’ny fandefasan-kafatra eny anivon’ny haino aman-jery fa eo koa ny fampiasana ireo fitaovana hafa toy ny “radio carte” audio sy vidéo, ahafahana manatratra ny toerana tsy […]

Foara ho an’ny kojakojam-panadiovana : Maimaimpoana ny fitsidihana tranoheva

Hotanterahina etsy Ma­hamasina, manomboka ny 30 avrily hatramin’ny 2 mey izao, ny «Foire Pro’hygiene – cosmétique». Tsy fahita firy ny hetsika karakarain’ny ZRK Evenement, amin’izao andiany voalohany izao. Hanehoa­na ireo kojakoja samihafa ho an’ny fanadiovana, ny mpisehatra amin’ny fizahantany, ny tontolon’ny endrika amam-bika, ny vokatry ny asa tanana ary koa […]

Sampana Ingénierie minière : Napetraka ny vatofototry ny tsangambato

Nosokafana omaly, tamin’ny fametrahana ny vato fototry ny efitrano vaovao ho an’ny mpampianatra ny fanamarihana ny faha-50 taona nanofanan’ny Ingénierie minière, injeniera momba ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. 800 mahery no nivoaka teny amin’io sampana io ary misehatra amin’ny orinasa goavana eto Madagasikara sy any ivelany ny ankamaroany. Nitondra […]

Hanatsarana ny fampianarana ambony : Nidinika niaraka ny minisitera sy ny sekoly tsy miankina

Niantso dinika tamin’ny tomponandraikitry ny sekoly tsy miankina misehatra amin’ny fampianarana ambony ny mpitantana ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, omaly, teny amin’ny Akademia nasionaly Tsimbazaza. Tanjon’ny fihaonana ny hampahafantarana ny lalàna manan-kery sy ny lamina tokony hatao hijerena ny tsy fetezana samihafa. Afaka nifampihaino ny mpivory […]