Notanana vonjimaika any am-ponja, omaly, ireo roa lahy tratra nangalatra tao Ampasapito. Nafatratr’izy roa lahy tao anaty gony ny akoho fakana nofo am-polony. Saron’ny mpitandro filaminana tamin’ny marain’ny alatsinainy 20 avrily teo, tamin’ny 1 ora sy sasany maraina izy roa lahy ireo. Manao antso avo amin’ny tomponandraiki-panjakana ny ray aman-drenin’ilay […]
Auteur/autrice : Adnews
Nikasa hanafika mpandraharaha: Jiolahy telo lavo voatifitra tetsy Andohatapenaka
Ravan’ny polisim-pirenena avy amin’ny Service anti-gang (Sag) ny fikasan’ny jiolahy hanafika mpandraharaha iray hanatitra vola teny amin’ny banky, omaly maraina. Jiolahy miisa telo, lavon’ny bala tetsy Andohatapenaka akaikin’ny CDA, tamin’ny 6 ora maraina. Nahazo vaovao marim-pototra avy amin’ny olon-tsotra ny polisim-pirenena avy amin’ny Service anti-gang (Sag) fa misy andian-jiolahy mikasa […]
Mpitondra bisikileta mamo: Lehilahy iray maty voahitsaky ny kamiao
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany Antsirasira II, Ambohitoaka, distrikan’i Mampikony, afakomaly hariva, tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Niseho teo amin’ny PK 93+500, teo amin’ny sampanan-dalana Ampasimatera, ny loza. Bisikileta iray notaingenan’olona roa no niharan-doza. Nandeha taorian’ny kamiao iray ilay bisikileta. Nijanona tampoka anefa ilay kamiao ka tsy tafajanona […]
Telo lahy atao hazalambo : Tovolahy voafira antsy noho ny hasarotam-piaro
Naratra mafy, voafira antsy teo amin’ny tarehiny sy ny tongony ny tovolahy iray, ny talata alina lasa teo. Alahelo noho ny fandavan’ny tovovavy notsiriritiny no nanosika ilay nahavanon-doza hanafika mpifankatia, tao Ambalamanasy. Naratra mafy! Torana tsy nahatsiaro tena ny tovolahy iray, antsoina hoe Patrick, ny talata alina lasa teo. Notafihin’andian-jatovo […]
Fahaleovantenan’i Etazonia : Nahaliana tanora maro ny « Freedom 250 »
Nanao fizarana momba ny tantaran’i Etazonia sy ny maodelin’ny demokrasia amerikanina tetsy amin’ny ENS Ampefiloha ny mpanolotsaina lefitra misahana ny serasera sy ny kolontsaina ao amin’ny masoivoho Amerikanina, i Alex Burns. Fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny ENS amin’ny fanamafisana ny fampianarana ny teny anglisy sy ny fifanakalozana ara-kolontsaina izao hetsika izao. […]




