Iray amin’ny sampana 16 eo anivon’ny sekoly ambony politeknika Antananarivo, eny Vontovorona, ny Ingenierie minière, izay mamoaka injeniera mahafehy ny fitrandrahana, nanomboka ny taona 1976. Miavaka ny injeniera nahavita fianarana teny amin’ny sekoly ambony politeknika satria afaka misehatra amin’ny lafin’asa maro aorian’ny fahazoana diplaoma. Tafiditra ao ny fitrandrahana harena an-kibon’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Asa tanana sy kolontsaina: 40 taona nanamboarana zavamaneno i Hery Valiha
Teo amin’ny fahafolo taonany, fony teny am-piandrasan’omby, no efa nahay nandrafitra zavamaneno toy ny valiha sy kabosy vita amin’ny tanimanga i Hery Valiha. Ankehitriny, 40 taona nanamboarana izany izy. Mampiavaka ny valiha arafiny ny fisian’ny asa fikarohana mitohy hita sy heno ao aminy (valiha). Natambany, ohatra, ny kesika sy ny […]
Babai Lugu sy Alala Katsakatsa : Hizara « Nofy adala » etsy Antsahamanitra
Mozika mikoriana avy any anaty, manatona ny fototra aty an-tanindrazana. Nofy hotanterahina miaraka amin’i Bolo sy ireo mpankafy an’i Babai Lugu sy ny tariny. «Faly be foana mandalo an-tanindrazana». Naverimberin’i Babai Lugu io, omaly, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Yas Analakely. Efa andro maromaro no eto ity […]
Course de côte : Hatao eny Mahitsy ny dingana voalohany
Hotanterahina ny alahady ho avy izao, eny Mahitsy, ny dingana voalohany amin’ny fifaninanam-pirenena amin’ny «course de côte», andiany fahatelo, iarahana amin’ny Liquimoly, amin’ny taranja mekanika. Fifaninanana karakarain’ny klioba MSA, eo ambany fiahian’ny Federation sport-automobile de Madagascar (FSAM). Tanterahina amin’ny fiakarana miainga eo Mahitsy mihazo an’Antanetibe Mahazaza izany. Mirefy 2,3 km […]
Basikety-Tanà Ville : Hiditra amin’ny famaranana ny sokajy U14
Efa mamaramparana ny fifaninanana amin’izao ny eo anivon’ny seksionina Antananarivo Renivohitra, taranja basikety. Ny faran’ity herinandro ity no hanatanterahina ny famaranana fihodinana voalohany, ho an’ny sokajy latsaky ny 14 taona, lahy sy vavy. Raha ny fandaharam-potoana, ny ekipan’ny AST sy NBE no hifanandrina eo amin’izay famaranana izay, eo amin’ny vehivavy, […]




