Auteur/autrice : Adnews

TARATRY ny KANTO

Misaona ny tontolon’ny hiragasy. Nodi­mandry i Felix Ranaivoarison, mpamoron-kiran’ny tarika Ramilison Besigara. Fantatra fa sady mpikabary no mpandihy ihany koa izy. Marihina fa efa tsy salama tao anatina fotoana naharitra izy, noho ny fahatapahana lalan-dra. Anisan’ny niavaka tamin’ny famoronan-kira i Fely, satria, miainga amin’ny zava-misy hatrany izy rehefa mamorona. Mahatafita […]

“Madagasikara sy ny tontolony” : nomena tombony ireo mpanao Varatava

Hifarana anio ny “Mada­gasikara sy ny tontolony”, fampirantiana sary varatava, nanehoan’ireo mpikambana eo anivon’ny fikambanana Varatava ny traikefa sy ny fahaiza-manaony.Tafiditra tao anatin’ny hetsika “Iray volan’ny varatava” ity hetsika ity. Nizotra antsakany sy andavany ary samy afapo ireo vondron’olona nokendrena tamin’ny hetsika. Ankoatra ny fanomezana sehatra ireo mpanakanto eo anivon’ny […]

Sarimihetsika : nodimandry i Babiche

Misaona ny tontolon’ny sarimihetsika eto Madagasikara. Nodimandry, omaly, teo amin’ny faha-34 taonany, i Harimanana Minouchette Babiche, Malagasy mpilalao sarimihetsika no sady mpanoratra tantara horonantsary ary poeta. Araka ny fikarohana natao, ny aretina teo amin’ny faritry ny tratrany no tena nahatonga ny fahafatesany, ary efa nanomboka ny zoma lasa teo izy […]

Andron’ny haisoratra : hanao « Dia rodoben’ny vakiboky an-dalambe » ny Havàtsa-Upem

Hatramin’izao, tsy mbola misy mahasolo ny boky… Nihena miandalana anefa ny fampiasana azy ity tato ho ato. Manoloana izany, mandray andraikitra avy hatrany ny Havàtsa-Upem. Ho fanamarihana ny faha-72 taonan’ny Fi­kam­banan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem. Hanatan­tera­ka « Dia rodoben’ny vakiboky an-dalambe » andiany fahatelo ity fikambanana zokiny indrindra amin’ny fikajiana […]

Dimy lahy maty notifirin’ny jiolahy: tsy nanana 200 tapitrisa Ar ny fianakaviany

Sangy mihoatra ny loha! Nafato­tra tamin’ny ha­zo, notifirina an-kitsirano ireo olo­na dimy mianaka natao takalonaina tao Anjo­zorobe. Tsy na­nana 200 tapitrisa Ar ny fianakavian’izy ireo. «Resy izahay aty Anjozorobe, mifona e! Resinareo izahay, tsy misy na iza na iza hitarainana intsony», hoy ny antsoantson’ireo mponina ao amin’ny distrikan’Anjozorobe manoloana ny […]