Maty voatsindrona antsy noho ny ady vokatry ny hamamoana tao an-tanànan’Analandrano, fokontany Analasoa, kaominina Beraketa, distrikan’i Bekily, afakomaly, ny raim-pianakavina iray. Niafara tamin’ny vonoan’olona ny fiarahana misotrosotro teo amina andian’olona maromaro tao amin’io fokontany io. Nanomboka niakatra ny feo rehefa mamomamo, tsy nahazaka izany ny lehilahy iray ka nanindrona antsy […]
Auteur/autrice : Adnews
Fijanonan’ny fo : vehivavy hita faty teo ambony fandriana
Vehivavy iray 26 taona mpivarotra hani-masaka no hita faty teo ambony fandriana natoriany, tao amin’ny fokontany K7, kaominina Ivato, distrikan’Ambohidratrimo, omaly maraina. Taorian’ny fampandrenesana voarain’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Mandrosoa Ivato, tonga nanao fizahana ny razana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera avy ao amin’ny CSB2 Ivato. Nandritra ny fizahana […]
Jiolahy nokarohina : maty voatifitry ny polisy tetsy Analakely i Nirina kely
Nirefotra indray ny poabasy tetsy Analakely, omaly hariva tamin’ny 7 ora. Lavon’ny balan’ny polisy i Nirina Kely, jiolahy norakarohina hatry ny ela Voatifitry ny polisy tao amin’ny pavillon Analakely, omaly hariva, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana, fantatra amin’ny anarana hoe i Nirina Kely. Nikasa hanao ny asa ratsiny teo akaikin’ny […]




