Auteur/autrice : Adnews

15 taona niarahana : nangotraka ny fanotronan’ireo mpanakanto an’i Eric Manana sy i Jenny

Tonga maro nanotrona an’i Eric Manana sy i Jenny ireo mpanakanto. Izay no azo hamintinana ny seho nentin’izy ireo tamin’ny faha-15 taona niarahany nihira tetsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, omaly tolakandro. Nangotraka ny fanotronan’ireo mpanakanto maro an’i Eric Manana sy i Jenny satria dia tsy nitsahatra nisy […]

Fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo : very ora roa mahery ny olona iray raha atao ny salanisa

Anisan’ny olana goavana eto an-dRenivohitra ny fitaterana. Azo lazaina fa sakana iray ho an’ny fampandrosoana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo sy ny manodidina. Mihatery ny tanàna noho ny fitomboan’ny mponina sy fihitarany, na misy aza ny fanitarana, toy ny lalana eny By-pass. Iainana isan’andro, saingy toa tsy mahataitra ny maro […]

FANTINA sy FINTINA

Raha misy ny rivodoza tsy hahazoana manao ny fifidianana amin’ny 11 desambra, tsy maintsy mitodika any amin’ny Filankevi-panjakana ny Ceni, araka ny fanazavan’ny filohany, Andrianarisedo Dama Arsène Retaf, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo. Hampahafantarina amin’izany ny fisian’ny antony tsy azo anoarana, ary hamoaka fanapahana ny Filankevi-panjakana. Nanolotra fanampiana sosialy […]

Ravoajanahary Johary: «Hafa mihitsy ny fifandraisana mivantana amin’ny olona»

Nangina nandritra ny fotoana maharitra ny mpanao gazety sady mpanao famakafakana, Ravoajanahary Joha­ry, tale jeneralin’ny Ofisim-pirenena momba ny radio sy ny televiziona taloha. Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy, nivoaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny tenany. Nitondra ny famakafakana sy fametrahana fanontaniana nahafantarana azy hatrizay. Namokatra ny fandaharana Solanga izy, izay azo arahina amin’ny […]

Olona olana

  Famatsian-jiro sy rano, vatsim-pianaran’ny mpianatra eny amin’ny oniversite… Inona koa? Anisan’ny olana miverimberina hatramin’izay ireo, efa an-taona maro. Mandra-pahoviana? Manginy fotsiny ny olana raiki-tampisaka amin’ny sehatra na faritra sasany: tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, tsy fisian’asa… Misy koa ny olana tsy misy mpihaino na mpiraharaha; eny, na misy aza, ohatra, […]