Ekipa afrikanina roa no indray hiditra an-tsehatra, anio, dia ny Elefantan’i Côte d’Ivoire sy ny Lions de l’Atlas, Maroc, eo amin’ny dingana ampaha-16-ndalana, amin’ity «Mondial 2026 » ity. Fihaonana hiendrika famaranana avokoa ny azy roa tonta ireo. Anisan’ny lalao mahasarika ny mpanara-baovao amin’ity «Mondial 2026» ity ny fihaonana roa hatrehin’ireo solontena afrikanina. […]
Auteur/autrice : Adnews
INDRAY MIJERY
Miatrika fanadinana bakalorea katolika ny sekoly miankina amin’ny finoana katolika amin’ity herinandro ity, manerana ny diosezy 22. An’aliny ireo mpianatra manatanteraka izany eo anivon’ny sekoly, araka ny fanazavana azo. Manan-danja ho an’ny mpiandraikitra ny fanabeazana katolika ny fanadinana satria azo handrefesana ny fahavononan’ny mpianatra hiroso amin’ny fanadinam-panjakana bakalorea, izay hotontosaina […]
Taom-pianarana 2026 : Fahombiazana feno ho an’ny sekoly Maarif
Natao ny sabotsy 27 jona teo, teny amin’ny CCI Ivato, ny fanolorana mari-pahaizana ho an’ny mpianatra ao amin’ny sekoly tiorka Maarif Faralaza Talatamaty. Raha aravona, nahomby ny vokatra azon’ny mpianatra sy ny mpitantana ny sekoly ho an’ny taom-pianarana 2025-2026. Santionany vitsivitsy, 20 ny mpianatra GS nifindra CP, 9 ny ankizy […]
Sakafo hohanintsika : Tsy tokony hampidi-doza ny aina
Niatrika trangana fanapoizinana ara-tsakafo izay nisy fiantraikany lehibe tamin’ny vahoaka i Madagasikara, taona maro nisesy izay. Tsy mbola hadinon’ny maro ilay tranga teny Ambohimalaza, nahafaty olona efa ho 50. Midika izany fa mbola maro ny fanamby sedraina amin’ny fiarovana ara-pahasalamana ny sakafo ohanina. Zava-dehibe ny fiantohana ny fahadiovana sy ny […]
Oniversite efatra manakaiky vahoaka : Nametrahana ofisim-panadinana bakalorea
Efa misahana ny fikarakarana manontolo ny fanadinana bakalorea ireo oniversitem-paritra miisa efatra. Anisan’ny fanatsarana natao tamin’ity taona ity ny fametrahana ofisim-panadinana bakalorea eny amin’ireo oniversite manakaiky vahoaka efatra: Itasy, Vakinankaratra, Sava ary Analanjirofo. Mahaleo tena tanteraka amin’ny fikarakarana ny fanadinana ireo oniversite ireo. Nanamafy ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana […]




