Auteur/autrice : Adnews

Fandrobana tao Vohitsara : Olona iray voafonja herin­taona an-tranomaizina

Nivoaka ny talata lasa teo ny didy mahakasika ny raharaha fandrobana mpandraharahara tao Vohitsara, ny 3 mey 2026 lasa teo. Lehilahy miisa telo no voampanga tamin’izany. Voaheloka an-tranomaizina, sazy mihatra, Rami­lin­jaona Guillaume Lau­rent. Sazy mihantona ny an-dRazafindranjaona Tokiniaina ary nohafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana Rami­lison Kevin Bryan. Fanaovana fikambanan-jiolahy sy […]

INDRAY MIJERY

Mijery ny fomba hanohanana ny rafi-pahasalamana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiara-miombon’antoka ka nanohana ara-pitaovana sy ara-teknolojia ireo ivotoeram-pitiliana LA2M avy amin’ny UNOPS. Tamin’ny alalan’ny fanomezana « kit Starlink” izany. Hapetraka amin’ny ivontoeram-pitiliana LA2M ao Nosy Be, Place Kabary, Mahavoky Atsimo, Morafeno, Tambohobe, Mitsinjo Betanimena ary Fort-Dauphin ireo fitaovana ireo. Hanatsarana […]

Fanadinam-panjakana : Sazy henjana ho an’ireo mivarotra laza adina

Hentitra ny fanjakana amin’­ny fampizorana antsakany sy andavany ny fanadinam-panjakana rehetra na ny CEPE na ny BEPC na ny Bakalorea. Nampahatsiahy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fa voarara ny fividianana sy fivarotana laza adina. Mahavoasazy ny fivarotana izany na mivantana na eny amin’ny tambajotran-tserasera. Araka ny didy aman-dalàna manan-kery sy ny didim-pitondrana […]

Olona varira : Diabe ho an’ny fandriampahalemana

Hanatanteraka « Diaben’ny fandriampahalemana », hanentanana ny olom-pirenena rehetra ny fikambanan’ny olona manana toe-tena varira, ny sabotsy izao. Hiainga eo amin’ny Kianjan’ny Barea, hihazo ny Kianjan’ny Hira gasy Ampefiloha, izany dia izany, hanomboka amin’ny 10 ora maraina. Hisy ny varavarana misokatra handraisana ny hevitry ny olom-pirenena rehetra momba ny fiarovana ireo olona […]

Oniversiten’Antananarivo : Nametrahana radiotélescope voalohany

Notokanana omaly, teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny radiotélescope voalohany eto Madagasikara. «Fitaovana hijerena ny kintana sy ny habakabaka ary ny zavatra rehetra eny ambony tsy taka-maso» ny ilaina ny teknolojia sy ny siansa ary ny haivao satria mampiasa algorithme sy computer (ordinatera) ny mpikaroka hikirakirana ny angon-drakotra azo rehetra. Ny oniversite […]