Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Nihaona tamin’ireo mpitatitra any Toliara, ny minisitry ny Fitaterana, Andrianavalona Herizo, ny 18 avrily teo. Voalaza fa ho hamoraina ny fahazoan’ny mpitatitra ny piesy sy ny kojakoja amin’ny fiarakodia. Hetahetan’ny mpitatitra ny hanarenana haingana ny lalam-pirenena. Noresahana ny tsy fandriampahalemana eny an-dalana, ny fisorohana ny lozam-pifamoivoizana, sns. Nifantoka tamin’ny laharam-pahamehan’i […]

ANMCC: Manahy amin’ny fanararaotam-bidy

Miteraka fatiantoka eo amin’ny sehatry ny toekarena ny fivarotana vokatra nafarana amin’ny vidiny mora. Ankehi­triny, lasa resa-be amin’ny tontolon’ny fanjifana ilay margarina milanja 250 g, vidiana 1 700Ar. Voakasika amin’izany ireo vokatra avy ao Afrika atsimo, Indonezia, Malezia, Tonizia ary Türkyie. “Ambany lavitra noho ny famokarana eto amintsika ny vidin’ireo […]

Varotra : Hiara-hiasa ny CCIA sy ny CCIS RSK

Vita sonia ny sabotsy teo ny fiaraha-miasa lasitra eo amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria eto Antanana­rivo (CCIA) sy ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria ary ny tolotra ao amin’ny faritra Rabat-Salé-Kénitra (CCIS RSK). Fifanaraham-piaraha-miasa hijerena ireo sehatra stratejika ka ahafahan’ny roa tonta mifanakalo sy mifampizara ny tahirin-kevitra samihafa. Hojerena […]

Ady amin’ny valala : Velaran-tany 200 000 ha voatondraka fanafody

Voafehy ny ady amin’ny andiam-balala any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Tanteraka izany vokatry ny tohana nataon’ny FAO sy ny Banky iraisam-pirenena ny governemanta malagasy. Azo antenaina ny hiroboroboan’ny fambolena any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy amin’ity taom-pamokarana 2026 ity. Antony, voafehy ny ady amin’ny adiam-balala ary tsy atahorana hihanaka intsony. Maherin’ […]

FANTINA sy FINTINA

Nanao fanambarana momba ny fisamborana ireo tanora naneho ny heviny, anisan’ny nandrodana ny jadona sy ny tsy fanarahan-dalàna ny Seces. Nametra­ka ny ahiahiny izy ireo. « Tsy hisy ny tena fampandrosoana ny firenena fa ny omaly tsy miova ihany. Ambara hatrany fa fanohintohinana ny filaminam-bahoaka sy ny fanjakana izao », hoy izy […]