Auteur/autrice : Adnews

Wednesday Morning Group : Vehivavy 160 vonona handraharaha

Taorian’ny fiofanana momba ny zaitra sy ny fampiasana ny niomerika nokarakarain’ny Wednesday Morning Group (WMG), vonona hiditra eo amin’ny sehatry ny fandraharahana sy hampihatra ny fahaiza-manaony tamin’ny fianarana norantoviny ireo vehivavy miisa 160, avy amin’ny andiany Meva. “Natao hampiroboroboana ny fahaleovantenan’ny vehivavy sy hanomezana azy toerana mendrika eo amin’ny fiarahamonina […]

Fandaharanasa Asan’AI : Tanora 136 tafiditra miasa amin’ny BPO

Tanora miisa 138 no nahazo mari-pankasitrahana ho an’ny andiany voalohany tamin’ny fandaharanasa Asan’AI. Ankehitriny efa miasa eo amin’ny sehatry ny Business Process Outsourcing (BPO) ny 136. Anisan’izany ny 58 efa manana fifanarahana maharitra na CDI. Maneho ny fahombiazan’ny fandaharanasa amin’ny fampitomboana ny fahafahan’ny tanora miditra amin’ny sehatry ny asa ireo […]

FANTINA sy FINTINA

“Ny asa ihany no jerena: iza no tena miasa?” Io ny fanehoan-kevitry ny filoha teo aloha sady filoha nasionalin’ny antoko Tim, Ravalomanana Marc, teny Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo. Miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana ry zareo. Ny hamonjena ny vahoaka sahirana izao no tena mahamaika. Tsy miteny sy mangina izy, fa mafy […]

Rwanda — Madagasikara : Nohamafisina ny fiaraha-miasa

Anisan’ny vahiny manokana tamin’ny fankalazan’i Ma­da­gasikara ny faha-66 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy ny fijoroan’ny Foloalindahy malagasy ny minisitry ny Atitany avy amin’ny Repo­blikan’i Rwanda, i Nasser Biruta. Nisolo tena manokana ny filohan’i Rwanda, i Paul Kagame, izy. Nihaona tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny sady lehiben’ny diplaomasia malagasy, i N’Diaye Alice, teny […]

Ny ady tsy ahi-mahatratra

  Mangingina ny tontolo politika taorian’ny fankalazana ny niverenan’ny Fahaleovantena sy ny nijoroan’ny Foloalindahy? Afa-pety… Na izany aza, tsy mandrimandry manana aretina. Andrasana fatratra ny firosoana amin’ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena. Hanao ahoana? Tsy mety ny hoe ho hita eo.. Na hoe eo am-pandrasana mahita ny atiny. Tsy efa tokony hisy […]