Auteur/autrice : Adnews

Indray mijery

 Nanatanteraka atrikasa tany Fianarantsoa ny solombavambahoaka mpikambana ao amin’ny «Coa­lition parlementaire pour la vaccination» notarihan’ny filohan’ny Vaomieran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny fandrindram-piterahana, Dr Rajaobelina Lova Herizo. Adisisika momba ny fampandehanana ny «Fonds na­tional pour la vaccination» mba ho tena rafitra iray afaka ampiasaina hanamora ny fividianana vaksiny eto Madagasikara no nodinihina […]

Dokotera Volatiana: nanampy traikefa tany Etazonia

Nanao fitsidihana voalohany tany Etazonia, tamin’ny alalan’ny fandaharanasa International Visitor Leadership Program (IVPL) ny Dr. Andriananja Volatiana, lehiben’ny sampan-draharaha misahana ny areti-mifindra ao amin’ny CHU Befela­tanana. Nanatri-maso ny fahaiza-manao amerikanina tao amin’ ny Cleveland Clinic, iray amin’ireo ivontoeram-pitsaboana lehibe indrindra maneran-tany ny tenany. Misy fandriana fandraisana marary 6 000 isa. […]

CEPE- Cisco Antananarivo Avaradrano: nampiakatra ny taham-pahafahana ny andrana

Ny Cisco Antananarivo Avaradrano no mitana ny laharana voalohany amin’ny taham-pahafahana CEPE 2026, nahatratra 93,16%. 11 274 ny mpianatra nahazo ny mari-pahaizana CEPE tamin’ ity taona ity, tamin’ireo 12 102 niatrika ny fanadinana. Ma­naraka eo ny Cisco Andra­masina, nanana taha 92,73% ary fahatelo ny Cisco Anta­na­narivo Atsimondrano. 7 taona ny […]

“Africa Health ExCon 2026”: afaka nametraka paikady sy fanamby i Madagasikara

Nandray anjara tamin’ny hetsika iraisam-pirenena amin’ny fahasalamana tao Afrika i Madagasikara, ny herinandro teo. Notarihin’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. Managna Monira, ny delegasionina. Nisy ny fivoriana stratejika momba ny fahaleovantena sy ny fiarovana ara-pahasalamana aty amin’ ny kaontinanta Afrika, nandritra ny fihaonana “Africa Health ExCon 2026”. Manoloana ny fanamby ara-pahasalamana […]

Taratry ny kanto

Fitendrena gitara. Haneho ny talentany i Sahaza Raoeliarijao. Iray amin’ireo mpitendry sady mpampianatra gitara manana ny mampiavaka azy. Etsy amin’ny Cité des cultures Antaninarenina, ny 28 jona izao, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro izany. Hifandimby hotendreny amina gitara klasika ireo sanganasan’i J.Bach, Fernando Sor, Hector Villa, kalon’ny fahiny sy ireo […]