Auteur/autrice : Adnews

Fahaleovantenam-pirenena: mila omena lanja avokoa ny maha Malagasy

Mitady handeha ila! Tsy ny fitafian’ireo izay hanatrika ny fety aman-danonana etsy sy eroa ihany no tokony hoenti-maneho ny fiverenan’ny fahaleovantenam-pirenena fa ny maha Mala­gasy iray manontolo. Mila sokafana lehibe ny fanentanana. Iainana fa tsy atao ankosotra fotsiny ny fihavanana, ny firaisankina, ny fanajana ny tenin-drazana, ireo fomba amam-panao manaja […]

Fetim-pirenena: hisy podium goavana eny Mahamasina

Toy ny mahazatra, hitohy amin’ny « podium » goavambe ny matso etsy Mahamasina. Mpanakanto malaza maro no hanafana izany. Hisy koa isam-paritra. Anatiny tanteraka. Efa andro maromaro izay no nanomboka ny fanamarihana ny faha-66 taona niverenan’ ny Fahaleovantena, izay sady fetim-pirenena malagasy. Anio sy rahampitso kosa ny ivon’ny fankalazana, manerana ny Nosy. […]

Fantina sy fintina

 Notoloran’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny mariboninahitra ”Commandeur de l’Ordre nationale malagasy”, teny Anosy, ny 23 jona lasa teo, ny Nonce Apostolique, ny Mgr Tomas Grysa, araka ny fampitam-baovao voaray omaly. Nahazo izany koa ny masoivohon’i Afrika Atsimo teto Madagasikara, Sem Khazamula Lawrence Chabane. Noho ny fifandraisana amim-pirahalahiana sy fiaraha-miasa tsara teo amin’ny […]

Tsy ho asara… mantsina?

Hanakoako manerana ny Nosy ny fankalazana ny faha-66 taona niverenan’ny fahaleovantena politikan’i Madagasikara. Lanonana maroloko sy hetsika samihafa no hanakoako manerana ny tanàna. Hadinodino rafahantrana. Samy mampirevy ny ao an-tokantrano. Manao izay mampifalifaly ny vady aman-janaka na ny ray aman-dreny sy ny havana. Zara aza misy hialana voly sy hialana […]

Hentitra ny fiarovana ny ain’ny manam-pahefana mandritra ny matso

Vonona hanatanteraka ny matso lehibe eny Mahama­sina, rahampitso, ny Foloalin­dahy, araka ny fanazavan’ny eo anivon’ny minisitry ny Foloalindahy. Vita tamin’ny 23 jona lasa teo ny famerenana farany ho an’ny matso miaramila sy sivily, nanamafy ny fahavononan’ny Hery fiarovana sy filaminana (FDS) sy ny mpandray anjara rehetra. Mahatratra 3 800 ny […]