Tapaka ny lalana eny Ambohimiandra mankeny Mandroseza. Ho soloina ny fantson-drano lehibe manana savaivo 50 cm. Haharitra telo andro ny asa, nanomboka omaly ary hifarana rahampitso alarobia. Miato tanteraka ny famatsian-drano, noho izany, toy ny eny Ankadifotsy, Manjakaray, Analamahitsy, Ivandry, Soavimasoandro, Ambatobe, Ilafy, Ambohitrarahaba, sns. Hisokatra anio, nanomboka tamin’ny 7 […]
Auteur/autrice : Adnews
Tsimiroro: hamokatra solika 3 000 barila isan’andro
Miasa avokoa ireo lavaka miisa 25 hitrandrahan’ny orinasa Mada Oil menaka mavesatra any Tsimiroro, ankehitriny. Tanjona napetraka tamin’ny volana marsa teo ny hamokarana solika mavesatra 3 000 barila isan’andro, saingy hihoatra an’izany no hita, araka ny fizotry ny asa amin’izao volana jona izao. Antony, nohavaozina, ampiasaina ny teknolojia vaovao amin’ny alalan’ny […]
Oniversiten’Antsiranana: tafapetraka ny Orange Digital Center
Nisokatra ny 18 jona teo ny Orange Digital Center (ODC) ao amin’ny oniversiten’Antsiranana. Tetikasa vokatry ny fiaraha-miasan’ny Orange Madagascar, ny oniversiten’Antsiranana ary ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (Mesupres). Hanampy ny tanora sy ny mpianatra hahazo fiofanana amin’ny sehatry ny teknolojia niomerika, hanohanana ny fandraharahana ary ho fitaovana […]
Fandaharanasa “Tous redevables “: hanohana ny mangarahara sy ny fanovana niomerika
Hanangana andrimpanjakana mahomby kokoa, mangarahara kokoa ary akaiky ny vahoaka. Ireo no tanjon’ireo tetikasa roa ao anatin’ny fandaharanasa “Tous redevables”. Iarahana amin’ny Vondrona eoropeanina, hanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana sy hisian’ny tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka ireo tetikasa roa. Hanohana ny fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny sehatra maro. Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana fitantanana ny […]
Lakana rendrika an-dranomasina: renim-pianakaviana sy ny zanany iray niara-maty
Nitrangana faharendrehana lakana indray tany amin’ny lakandranon’i Pangalina, omaly maraina tamin’ny 4 ora maraina tany ho any. Niainga tany Betampona, tao amin’ny lakandron’ny Pangalanina, afakomaly atoandro io lakana io, hihazo an’i Vinanin’i Mangoro, raha ny fanazavana voaray. Nitondra mpandeha manodidina ny 20 isa izay nahitana ankizy sy zaza ny fito […]




