Nanomboka tamin’ny taona 1960 tany ho any no nipetrahan’ny ankamaroan’ireo mponina ao Analamahitsy Cité, nefa mbola maro no tsy nahazo Bokin-tany hatramin’izao. Ho fanamorana ny fikarakarana ny antontan-taratasy sy ny fanamarinana ny zo fitompoana ny tany, dia miezaka ny CUA, izay tompon’ny tany, mifandray akaiky amin’ny mponina mba hamahana […]
Auteur/autrice : Adnews
Fiangonana FVKFM: havan’ny voafonja 1 000 nahazo fanampiana
Fianakavian’ireo olona voafonja eto Antananarivo, miisa 1 000 no nizarana fanampiana ny faran’ny herinandro teo, tetsy Ankorondrano. Vary milanja 4 taonina sy sasany, siramamy 1 taonina, menaka 22 daba na 1040 litatra, paty, baran-tsavony 1 000 isa, tsaramaso 1 taonina ary sira 500 fonosana no notsinjaraina ho azy ireo tamin’izany. […]
Vondrona Axian: tohanana ireo marefo sy manana fahasembanana
Nahatsiaro manokana ireo sokajin’olona marefo sady manana fahasembanana miisa 75 ny Groupe Axian, ny faran’ny herinandro teo, ka nizara bodofotsy mafana sy vary hiatrehana ny ririnina sy ny fetin’ny faran’ny taona. Fianakaviana misitraka tohana isam-bolana, nandritra ny 7 taona, efa karakarain’ny Axian ihany ireto olona manana fahasembanana ireto saingy noho […]
Fampianarana: miverina ny sekoly miangatra, hoy i Lanto Ratsida
Miorina isaky ny elakelantrano ny sekoly tsy miankina. Ihazakazahan’ny ray aman-dreny izy ireny. Maneho ny fahamaivanan’ny sekolim-panjakana sy ny tsy fahampiany izany. Lavitra ny elanelana misy. Miverina ny sekoly miangatra raha ny fanehoan-kevitry ny tompon’andraikitry ny observatoire de la jeunesse, Lanto Ratsida. Niova endrika anefa izany akehitriny satria tsy ny […]
Ampaha-16-ndalana: ekipa 3 tafita, firenena 3 mangoron-damba
Mandroso miadana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, amin’ny baolina kitra (Mondial 2026). Na tsy mbola nahavita ny andro faharoa aza, ny ankamaroan’ireo sokajy samihafa, fantatra kosa fa efa misy ireo firenena tafita amin’ny dingana manaraka ary ao koa ireo mangorom-damba, na mbola misy ny andro fahatelo izay tsy hampiova […]




