Auteur/autrice : Adnews

Tsenaben’Antananarivo : afapo ny mpikarakara

Mbola hitohy hatramin’ny alahady izao ny varotra fampirantiana ahafahana misafidy fanomezana ho an’ny reny, izay tontosaina eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena karakarain’ny Reny Events, nanomboka omaly. Fanampiana ireo sahirana sy tsy manam-potoana hitadiavana fahatsiarovana ho an’ny reny, navondrona ao an-toerana ny mpandraharaha 70 samy manana ny mampiavaka azy […]

Faha-40 taonan’ny TPLA Ambohibao: hiitatra amin’ny fitsaboana ny voa sy ny zaza

Maro ny sampandraharaha ao amin’ny hopitaly loteranina Ambohibao fa ny foibe mitsabo ny fangejan’ny zava-mahadomelina no tena ahafantaran’ny olona azy. Hiitatra amin’ny fitsaboana ny aretin’ny voa ihany koa ny hopitaly. Manamarika ny ivon’ny fankalazana ny faha-40 taona nijoroany ny tobim-pitsaboana Loteranina Ambohibao (LTPA). Anisan’ny mampiavaka ny hopitaly ny fisian’ny foibe […]

TARATRY ny KANTO

Teo amin’ny laharana fahavalo no nisy an’i Andrianahy Zanadaory Joel Bastina, fantatra amin’ny anarana hoe Konahy Junior, nandritra ny fifaninanana “Africa Championship Online 2024”. Hiatrika ny fiadina ny ho tompondaka maneran-tany eo amin’ny “Slam poèsie”, atao any Togo, ny volana novambra izao izy. Ny tarika Iraimbilanja indray no hanafana ny […]

“Festival BD de Montréal”: mandray anjara amin’ny hetsika i Catmouse

Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 26 mey 2024, ao Montréal, Canada, ny “Festival BD de Montréal” (FBDM), andiany faha-13. Mpanao tantara an-tsary maro, avy amina firenena maro samihafa no mandray anjara sy maneho ny talentany ao anatin’izany. Ankoatra ny fihaonana amin’ireo mpanao tantara an-tsary kalaza, hetsika maro manodidina ny tantara an-tsary […]