Notanterahina tany Manakara, ny alahady 19 mey lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Motocross, dingana fahenina. Raha ny sokajy elita “MX 1”, mbola i Claudio Tida, Malagasy mpilalao Motocross, indray no laharana voalohany tamin’ity. Teo amin’ny faharoa kosa i Mathias Plantive, ary fahatelo i Preve Marco. Tsiahivina […]
Auteur/autrice : Adnews
Kitra – Telma Coupe : hatao amin’ny volana jona ny ampahefa-dalana
Lalao goavana no miandry ireo ekipa valo mifaninana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara amin’ny 2 jona ho avy izao. Hotanterahina eto an-drenivohitra avokoa ny lalao ampahefa-dalana rehetra. Lalao madio ! Tao anaty mangarahara tanteraka no nanaovana ny hatsapaka hahafantarana izay hifanandrina amin’ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe”, omaly, […]
Mahafaty olona betsaka : mampiakatra tosidra ny adin-tsaina sy fomba fiaina tsy milamina
Mirongatra ary mahafaty olona maro ny fiakaran’ny tosidra maneran-tany. Ahitana izany ny eto Madagasikara. 40%-n’ny olona mahazo taona no voan’ny tosidra miakatra, raha ny tarehimarika navoakan’ny antontan’isa momba ny fahasalamana avy amin’ ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ny taona 2021. Maro ny antony tena mahatonga ny fiakaran’ny tosidra eo amin’ny olona iray. […]
FANTINA sy FINTINA
Anisan’ireo voaasa hanatrika ny fianianan’ny filoha Kaomorianina, Azali Assoumani ny filoha Rajoelina. Hotanterahina any Màoroni ny 26 mey izao izany. Ny 4 jona kosa, handray anjara amin’ny fihaonana an-tampony eo amin’i Korea sy Afrika ny filohan’ny Repoblika. Lohahevitra : “Ny ho avy izay iarahantsika atsangana : ny fampandrosoana iombonana…” Nahazo […]
Minisitra Andriantsitohaina Naina: “Mampandroso ny filaminan’ny fananan-tany”
Nisitraka karatany sy bokitany maherin’ny 20 000 ny any Marovoay. Tonga tany an-toerana nanolotra izany ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, omaly. “Mampiroborobo ny fambolena ary mitondra fampandrosoana ho antsika ny filaminan’ny fananan-tany”, hoy izy. Nambarany fa mamaha ny olana eny anivon’ny fiaraha-monina izao […]




