Nitsidika ny faritra Sava tany Sambava sy Antalaha ny masoivohon’i Frantsa miasa eto amintsika, Arnaud Guillois, ny herinandro lasa teo. Fidinana ifotony voalohany notanterahiny tany an-toerana izao. Nidinidinika tamin’ny manam-pahefana izy momba ireo tetikasa fiaraha-miasa efa misy sy ny fanatsarana izany amin’ny ho avy. Nanolotra taratasim-bola mitentina 71 tapitrisa Ar […]
Auteur/autrice : Adnews
“Etoiles montantes Star” : nivoaka ny andiany voalohany
Hanomanana ny “kintana” aoriana. Fandaharahanasa iray novolavolain’ny Star, ho fandrisihana sy fanohanana ireo zanaky ny mpiasa nahazo ny “mention bien” sy “très bien” nandritra ny fanadinana bakalorea ny “Etoiles montantes Star. Ny taona 2018 no nanombohana azy, izay natao hanamaivanana ara-pitaovana sy ara-bola ny ray aman-dreny amin’ny fanohizan’ireo mpianatra ny […]
Teleferika : vita ny andrana amin’ny zotra Anosy-Petite Vitesse
Nosantarina tamin’ny zotra volomboasary niala teo Anosy nankeny amin’ny Petite Vitesse ny andrana teleferika, omaly. Efa tsindrindaona handeha amin’izany ny maro. Natao omaly ny andrana voalohany amin’ny fitaterana an-tariby na teleferika niala teo Anosy na,keo amin’ny Petite Vitesse (zotra volomboasary), notanterahin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny trano fonenana. […]
Fifidianana depiote: tonga hatramin’ny fandrahonana ny propagandy
Manahy antsojay politika amin’izao fampielezan-kevitra izao ireo haino aman-jery sasany. Anisan’izany ny taratasy navoakan’ny lehiben’ny disitrikan’Antanifotsy nomena ny mpitantana ny sampana radio A/Z Radio any an-toerana. Voalaza anefa fa sampana tsy mamokatra fandaharana izany onjam-peo izany. Mampita ny feo avy any Antsirabe fotsiny izy ireo nefa izao nahazo fandrahonana fanakatonana […]
Madagasikara sy Chine: mihamafy hatrany ny fiaraha-miasa
Nisy ny fihaonana teo amin’ ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rasata Rafaravavitafika, sy ny masoivohon’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine, Ji Ping, ny talata teo, teny amin’ny foiben’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, eny Anosy. Tanjon’ny fihaonana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Nandritra izany ihany koa no nanambaran’ny masoivohon’i Chine ny […]




