Auteur/autrice : Adnews

TARATRY ny KANTO

Hampahafantarina ireo mozea rehetra manerana an’i Madagasikara. Nomarihina ny sabotsy 18 mey lasa teo ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Mozea. Mifandimby mandeha amin’ny TVM sy ny pejin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina izany, hatramin’ny 24 mey izao. Anisany, ohatra, ny mozean’ny saripika eny Andohalo, ny mozean’ny Zandarimaria any Moramanga, sns. […]

Horonantsary fanadihadiana : hisy ny dinika momba ny « Filets de Lettres »

Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny Cercle Ger­mano-Malagasy (CGM Ana­lakely) ny hetsiky ny tetikasa « Decouverte Cinéma », ivahinianan’i Anjara Randriamaha­faly, Malagasy mpanatontosa. Fandefasana sarimihetsika « Filet de Letrres », notontsain’i Anjara, tohizana amin’ny tafa sy dinika, iarahana amin’ity mpanatontosa ity no handravaka ny fandaharam-potoan’izany hetsika izany. Ankoatra ny fampiroboroboana sy famerenan-kasina ny sinema malagasy, […]

“Olympiades culturelles”: omen-danja ny Hip Hop, Rap, slam…

Tanterahina ao amin’ny AFT Andavamamba, ny sabotsy 25 mey izao ny « Olympiades culturelles ». Fotoana hanomezan-danja ny kolontsaina fanao an-tanàn-dehibe toy ny dihy Hip Hop, Rap, slam, graffiti, betmaking, parkour, sns, eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana manomboka amin’ny 10 ora maraina ny velakevitra miaraka amin’i Grodash na ilay teratany frantsay […]

« Festival Tsika Jiaby » : dingana lehibe eo amin’ny tantaran’ny mozika malagasy

Goavana iny… Hipetraka ho mari-drefy tsy azo kosehina amin’ny tantaran’ny mozika malagasy ny andiany voalohany amin’ilay « Festival Tsika Jiaby », tontosa tany Paris, Frantsa, ny faran’ny herinandro teo. Fampisehoana telo andro tsy an-kiato. Tarika malagasy 30 mahery, izany hoe, tsy latsaky ny 10 isan’andro. Mpijery an-jantony isan’andro, izay teratany malagasy ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Laharana faha-12 no misy ny Ankoay lehilahy, nandritra ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny lalao “Olympika Paris 2024 OQT”, izay natao tany Debrecen, ny 16-19 mey lasa teo. Firenena telo no tafita hiatrika ny “JO Paris 2024”. Anisan’izany i Lituanie, i France sy i Pologne. Taorian’ny andro voalohany amin’ny fifaninanam-pirenena […]