Tanterahina any Abu Dhabi, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial” amin’ny taranja Judo, lahy sy vavy, sokajy “seniors”. Ilay vehivavy malagasy judokate, Rasoanaivo Laura, no solontenan’i Madagasikara amin’ity fifanintsanana ity. Hiakatra “tatami” anio, araka izany, ny tenany. Hifanandrina amin’ilay vehivavy danoa, Olsen Laerke, i Laura, araka ny fikarohana natao […]
Auteur/autrice : Adnews
Jiu-Jitsu Breziliana : ho avy eto, anio, i Royce Gracie
Andrasana etsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, anio tolakandro i Royce Gracie, mpiangaly fanta-daza maneran-tany eo amin’ny taranja Jiu-Jitsu Breziliana. Ho feno ny fandaharam-potoana ho an’ity tompondaka maneran-tany amin’ny taranja JJB ity. Araka ny lamina napetraka, hitarika seminera en Gi (manao kimono) izy amin’ny alahady 26 mey, tanterahina eny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena […]
Tsipy kanetibe : mpilalao 40 hiady toerana ho an’ny «Masters 2024»
Miverina tsikelikely ao anatin’ny fifaninanana iraisam-pirenena ny tsipy kanetibe malagasy. Taorian’ny taratasy nalefan’ny federasiona iraisam-pirenena nanaisotra ny sazin’i Madagasikara, efa manomana ireo mpilalao ny federasiona (FSBM). Vaovao mahafaly ny nandraisan’ny rehetra ny taratasy avy any amin’ny federasiona iraisam-pirenena, ny sabotsy lasa teo, fa voafafa tanteraka ny sazin’ny tsipy kanetibe malagasy […]
FANTINA sy FINTINA
Hiompana amin’ireo fanondranana antsokosoko ny harena voanajanahary, ny fiarovana izany ary koa ny momba ny hetsika fiarovana ny tontolo iainana ny resaka hifanaovana amin’ny minisitra, i Andonirina Max Fontaine. Harahina, anio amin’ny radio Alliance 92 FM amin’ny 12 ora 15 mn (fiteny malagasy) sy amin’ny 1 ora (fiteny frantsay) izany. […]
Ceni : “Tsy sakana ny fahafatesana kandidà”
“Tsy voasakan’ny fahafatesana ny fifidianana”, hoy fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, manoloana ny fahafatesan’ny kandidà depiote lah. 3, avy amin’ny vondrona Firaisankina, ao amin’ny distrikan’i Morondava, faritra Menabe, i Mamy Meryson Claver, teo amin’ny faha-52 taonany, afakomaly, raha mbola nanao fampielezan-kevitra izy ny tontolo andron’ny 19 mey lasa teo. Ankoatra […]




