Auteur/autrice : Adnews

Depiote: tsy solom-bavan’antoko

“Olona mijoro ny hoe de­piote, manam-pahendrena, manam-pahalalana, manam-pahasahiana: manaja tsara ny hafa, maneho amim-pahamarinana ny zava-drehetra. Ny antsika, lasa mpanara-drenirano, mivoaka miditra eo, mifanaratsy na manakiana fotsiny, na manaraka fotsiny ny bai­kon’ny antoko politika…”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpandi­nika fiarahamonina, Rama­mi­mampionona Gérard, amin’ izao fifidianana izao. Mba tsy ny antoko […]

Mpirakidraharaha fitsarana : tsy misy ambadika politika ny fitakiana

“Eritreretina hatrany hoe politika matoa miteny ny sendikà. Ho anay manokana, tsy resaka politika izao fa tena hoe fanatsarana ny asanay”, hoy ny filohan’ny Sendikàn’ny mpirakidraharaha fitsarana eto Madagasikara (SGM), Ran­driamaharo Alain Michel, ny amin’ny fanohizan-dry zareo ny fitakiany. Efa an-taona maro ny fangatahana, tsy hialam-bola nefa tsy tanterahina. Izay […]

Andriamanana Nivoarivony : “Tsy tokony hanome fampianaran-diso ny mpomba azy ny mpitarika politika”

Ao anatin’ny fampielezan-kevitra tanteraka amin’ny fifidianana depiote izao… Manao ahoana? Maneho ny fijeriny ny fiarahamonina sivily avy amin’ny Ivon’ny seha-pifidianana efaina (Ise) ivondronan’ny fikambanana maromaro, Andriamanana Nivoari­vony. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny hafatra amin’izao fampielezan-kevitra amin’izao? Andriamanana Nivoarivony (-): Mampahatsiahy ny fiarahamonina sivily ny amin’ny fihantsiana na ny famadibadihan-dresaka hitarihana […]

« Tsinjaka Be » : hitarika ny seho i Dadi Love

Miova toerana kely mba ho goavana kokoa. Eny amin’ny Coliseum Antsonjombe indray ny “Tsinjaka Be”, amin’ity. Hetsika izay fikarakaran’ny Global Action, hampiakarana an-tsehatra ireo mpanakanto izay heverina fa andrasan’ny mpankafy amin’ izao fotoana izao izy ity. Hotontosaina ny alatsinain’ny Pentekôty 20 mey izao io, manomboka amin’ny 9 ora maraina mandra-pahamaizin’ny […]

« Slam National Scolaire »: efa fantatra avokoa ireo mpifaninana

Ireo ankizy eny anivon’ny ambaratonga faharoa, eny amin’ny sekolim-panjakana indray no hanafana ny sehatra mandritra ny « Slam National Scolaire ». Efa vonona ny rehetra ary fifaninana avo lenta sy tsara kalitao no ampanantenain’ny mpikarakara amin’izany. Tanterahina ny 24 sy 25 mey 2024, eny amin’ny Institut Français de Mada­gascar (IFM) Analakely sy […]