Nifanenjehan’ny fokonolona, lehilahy iray nanendaka mpanao gazety voasambotra teny Ambohimanandray , Ambohimanarina, omaly maraina tamin’ny 7 ora sy sasany maraina. Nalainy ny rojo volamena nilanja 4,42 g. Namoaka io rojo io ilay mpanendaka taorin’ny fanerena azy. Efa mpamari-keloka amin’ny fanendahana sy hala-boty izy. Nisy nanondraka lasantsy sy nanimpy afo ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Nanolan-jaza 13 taona: naiditra eny Tsifahy ilay raikely nahavanon-doza
Notanana vonjimaika eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy ny lehilahy iray nanolan-jaza 13 taona, afakomaly. Raikelin’io zaza io ity nahavanon-doza ity. Nohararaotiny nanamparana ny filan-dratsiny io ankizy zana-badiny io. Tsy sahy nitoroka noho ny tahotra anefa ireo fianakaviany. Naharay fitarainana ny mpitandro filaminana fa niharan’ny fanolanana ny zazavavy 13 taona monina ao […]
Nanararaotra fiara tra-doza: tratra ireo efa-dahy nandroba
Voasambotry ny zandary afakomaly, ireo efa-dahy nandroba fiara tra-doza tao Anjiajia, fokontany Manjakavaradrano, kaominina Mahatsinjo. Nalain’ireo olon-dratsy ireo ny entan’ny mpandeha tao anatin’ny fiara niharanon-doza, ny 7 mey lasa teo, tamin’ny 1 ora sy fahefany maraina. Naratra nandritra io voina io ny mpandeha iray izay mpitsara baolina kitra iraisam-pirenena. Tsy […]
Nariana tao anaty dabam-pako : fatim-behivavy nodorana!
Hita tao anaty dabam-pako ny fatim-behivavy iray, omaly, teny Talatamaty,Ambohidratrimo. “Novonoina dia nodorana, avy eo natao tanaty gony izy”, hoy ny mpitsabo sy ny zandary nanao fizahana teny an-toerana. Fatim-behivavy efa may sady nifatotra tao anaty gony hitan’ny fokonolona teny amin’ny fokontany Fitraofana, Kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo, omaly maraina. Mpanary fako […]




