Auteur/autrice : Adnews

107 ny toeram-panofanana mpampivelona : fandaharam-pianarana tokana no homena ny mpianatra

107 ny isan’ny ivontoeram-panofanana mpampivelona eto Madagasikara ary ny enina amin’ireo miorina eny amin’ny renivohi-paritany ary tantanin’ ny fanjakana. Ny ambiny saha­nin’ny sehatra tsy miankina avokoa. Misy teti­kasa hametraka fandaharam-pianarana iraisan’ny ivontoeram-panofanana rehetra eto amintsika mba ho fahalalana mitovy no azon’ny mpiofana rehetra. Vina koa ny hanatanteraka fanadinana tokana ho […]

Skoto: Iantsoana mpilatsaka an-tsitrapo any Egypta

Ho an’izay vonona sy mahafeno fepetra, manentana ireo mpilatsaka an-tsitrapo hanampy amin’ny fikarakarana ny “World Scout Conference”, any Egypte, ny skoto. Hahazoana tombony sy traikefa amin’ny fikarakarana hetsika avo lenta iraisam-pirenena ilaina amin’ny “Confé­rence Africaine 2025” izany. Tsy mandoa saran-dasy izay ho any an-toerana, ary hiantohana ny hipetrahana sy ny […]

Toeram-piofanana ho mpanao gazety : hiara-kiasa ny GEPIMM sy ny AMFM

Nanatontosa soniam-piarahamiasa ny GEPIMM sy ny AMFM, omaly. Tanjona ny hanampiana sy hanofanana mpanao gazety ho matihanina eto Madagasikara. Nanao sonia fiaraha-miasa ny Groupement des éditeurs de presse d’information mul­timédia de Madagascar (GEPIMM) sy ny fikambanana Actions médias francophones Madagascar (AMFM), omaly, tetsy Antanimena. Tanjona ny hananganana toerana hanofana mpanao […]

INDRAY MIJERY

Mila mpampivelona 900 000 maneran-tany mba haha­fahana manavotra aina 4 tapitrisa mahery satria maro ny asa sahaniny, manomboka eo amin’ny fandraisana an-tanana ny fisafoana, ny fampiterahana ary ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza vao teraka. Afaka manoro hevitra amin’ny fomba fandrindram-piterahana mety amin’ireo mpivady koa izy ireo. Ho fanamafisana […]

Fanaraha-maso ny fahalotoan’ny rivotra: nahazo fitaovam-pandrefesana ny Meteo Madagasikara

Ho fanatsarana ny fanaraha-maso ny fahalotoan’ny rivotra, misy fiaraha-miasa vaovao eo amin’ny Meteo Madagasikara sy ny vondrona Suez-Transi­tec-DVDH. Nahazo fitaovam-pandrefesana vaovao hana­raha-maso ny fahalotoan’ny rivotra tafiditra ao anatin’ny tetikasa fandrafetana ny drafitry ny fivezivezena an-tanàn-dehibe maharitra iarahana amin’ny kaominina Antanana­rivo Renivohitra, ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny […]