Auteur/autrice : Adnews

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny fanapahan-kevitra nivoaka tamin’ny filankevitry ny minisitra, ny alakamisy lasa teo, alefa amin’ny fahitalavitra nasionaly, Televizionina Malagasy, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, « Euro 2024 », taranja baolina kitra. Tsiahivina fa hanomboka ny 14 jona ary hatramin’ny 14 jolay ho avy izao izany. Hifarana rahampitso, any Antsirabe, ny fifaninanana taranja […]

Kitra – 1/8 Telma Coupe 2024 : hifanandrina ny AS Fanalamanga sy ny Ajesaia

Hotanterahina anio sy rahampitso ary ny 12 mey ho avy izao ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny am­boaran’i Madagasikara, “Tel­ma coupe 2024”, taranja baolina kitra. Anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny maro, ny fifanandrinan’ny AS Fanala­manga sy ny Ajesaia Bongo­lava. Lalao izay hotontosaina anio, eto Antananarivo. Mbola manala vela ny ekipan’i Bongolava amin’ity […]

Taranja lomano: hifarana anio ny taom-pilalaovana 2024

Tapitra anio ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi­kara, taranja lomano, “bassin 50 m” izay nanomboka ny 1 mey lasa teo, teny amin’ny dobo filomanosana ANS Ampefiloha. Araka ny vaovao nampitain’ny tale teknika nasionalin’ny Federasiona malagasin’ny lomano (FMNa), ity fifaninanana nasionaly ity no mamaranana ny taom-pilalaovana 2024. Raha ny fanazavana voaray, […]

Rugby vehivavy – «Can 2024» : vonona hanala vela amin’i Kenya i Madagasikara

Hifantoka amin’ny lalao rugby, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrique (CAN 2024), sokajy vehivavy, avokoa ny sain’ny mpitia fanatanjahantena anio. Hotanterahina eto Madagasikara ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny “Mondial 2025”. Hanomboka anio sabotsy, etsy amin’ny kianja Makis Andohatape­na­ka, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy vehivavy, taranja rugby lalaovina olona 15 (Can […]

CHU Mahavoky Atsimo: arifomba ny fitaovana fitiliana tsinay sy vavony…

Nisitraka fitaovana ara-pahasalamana avo lenta ahafahana manao fitiliana ny lalan-kanina sy ny vavony ary ny tsinay ny CHU Mahavoky Atsimo ao Mahajanga. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Australian Doctors for Africa (ADFA) avy any Austra­lie no nahazoana izany. Nanazava ny talen’ny CHU Mahavoky Atsimo fa amin’ny alalan’ny « […]