Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

Mikarakara hetsika ny OJM hanamarihina ny Andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, anio. Anisan’izany ny etsy amin’ny tsangambato Analakely, ny adihevitra eny amin’ny Havoria Anosy ary koa ny fizarana valisoa tamin’ny fifaninanana “Grand prix Malina”. Eo koa ny fifaninanana ara-panatanjahantena sy korana, rahampitso. Mila fahasahiana sy fihavanana ny fanovana, […]

Raharaham-pirenena : hivory haka fanapahan-kevitra ny FFKM

Hivory ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy eo anivon’ny FFKM amin’ity volana mey ity. Anisan’ny hodini­hin’izy ireo ny momba ny fiainam-pirenena ankapobeny. Tsy mbola voafaritra ny daty hanatanterahana izany, raha ny nambaran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny fiangonana. Tombanana ane­fa fa tsy ho aorian’ny Pan­tekoty izany satria hamoaka ny hafatra, tahaka ny mahazatra […]

Fahafahana mitaky adidy

  Mankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety isika anio, fahatelon’ny volana mey. Ny taona 1993 no nankatoavin’ny fivoriamben’ny Firenena mikambana izany. Ho fanamafisana ny tolokevitra avy amin’ny fihaonambe faha-26 ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fanabeazana sy ny siansa, ary ny kolontsaina na ny Unesco, natao ny […]

MFM : «Potika ny hasin’ny antoko politika»

Tsy nitsitsy fitenenana momba ny fomba fanaovana politika sy ny antoko politika ny eo anivon’ny MFM. Tsy mandeha amin’ny laoniny izany, araka ny fanehoan-kevitr’izy ireo. “Raharahan’ny mpanam-bola ny fifidianana ataontsika eto, fa tsy raharahan’ny olona manana eritreritra hampandroso ny firenena sy ny antoko politika. Tsy misy lanjany intsony ankehitriny ny […]

TSELATRA

Taxi-be zotra E nifatratra tamin’ny andrin-jiro teny By-pass, omaly. Nandeha mafy io fiara io ka tsy voafehin’ny mpamily intsony. Naratra ny mpandeha sasantsasany tao anatin’ny fiara. Tsy nisy ny aina nafoy. Maty navadiky ny lakana ny lehilahy iray tao Mamamba, Ambohibao, afakomaly hariva. Nifam­pitadiavan’ny ekipan’ny Sampana mpamonjy voina izy. Niezaka […]