Hanao hetsika « opération coup de poing » ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananana asa ary ny asam-panjakana manomboka anio. Hiompana amin’ny fampiharana ny karama farany ambany nofaritan’ny fanjakana izany. « Didim-panjakana efa nivoaka io ary mihatra amin’ny orinasa rehetra eto Madagasikara », hoy ny minisitra tomponandraikitra, Razakaboana Hanitra. Zava-dehibe ny fampiharana […]
Auteur/autrice : Adnews
Fanampiana an’Ambilobe : nozaraina ho an’ny fianakaviana 3 693
Tontosa ny herinandro lasa teo ny fizarana ireo sakafo avy amin’ny fitondram-panjakana. Nanatanteraka izany tany amin’ ny faritra Diana, ho an’ny distrikan’ Ambilobe, ny ekipan’ ny BNGRC. Nanomboka ny 15 avrily lasa teo ny fitsinjarana sakafo. Fanampiana vonjy taitra ho an’ ireo fianakaviana traboina sy tena voa mafy vokatry ny […]
Faritra andro ratsy : hivadika ho rivodoza Hidaya, matanjaka ny fepetra ivoarany
Mandindona ao avaratry ny Nosy ny rivodoza. Mitondra orambe any amin’ny morontsirak’Ambatosoa sy Atsinanana ary Analanjirofo izy io. Miha mahazo hery any an-dranomasina i Hidaya. “Heverina ho nivadika ho rivodoza alina ilay faritra andro ratsy ao Avaratry ny Nosy noho ny fepetra tomombana hivoarany”, hoy ny mpamantatra ny toetry ny […]
Fikambanan’ny zanaka Antesaka : “Takinay ny hamoahana ny kandidà Mahavitara”
Hentitra ny fitakian’ny fikambanan’ny zanaka Antesaka monina eto Antananarivo, araka ny fanambarana nataon’izy ireo afakomaly, tetsy Andrefan’Ambohijanahary. Manome 48ora, hatramin’ ny omaly, ho an’ny fanjakana izy ireo hamoahana ny kandidà avy any Vangaindrano, i Mahavitara Sylvestre, voafonja vonjimaika eny Antanimora. “Haka ny fepetra rehetra izahay rehefa tapitra io fe-potoana io”, […]
Filohan’ny HCDDED: “Zava-dehibe ny efa firosoana amin’ny demokrasia”
Nambaran’ny filohan’ny Filankevitra ambony ho an’ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), Ranadialison Angelo, fa tsy mbola tonga lafatra isika amin’ny demokrasia. “Tsy azo atao ny mitompo teny fantatra fa efa tonga amin’ny tanjona isika. Efa zava-dehibe anefa ny firosoana tsikelikely sy miandalana amin’izany dingana ho any amin’ny […]




