Auteur/autrice : Adnews

Tatitry ny Pac ho an’ny taona 2023: maro ireo olon-tsotra nitory depiote sy minisitra

Nanao tatitra ny zava-bitany nandritra ny taona 2023 ny eo anivon’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac), 67 ha. Nampahatsiahy indray ny asany izy ireo ary nitanisa ireo fitoriana voaray. Miisa 316 ireo dosie nokirakirain’ny Pac ka nahavoarohirohy olona 1 346 izany. Miisa 1 110 ireo nahazo fahafahana vonjimaika […]

Ramampy Zénaïde : “Hay ny mifidy na sahirana aza”

“Na eo aza ny fahasahiranantsika vahoaka, haintsika ny mifidy depiote izay tena hikarakara antsika marina”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha lefitry ny Anteni­mi­erampirenena teo aloha, 2002-2009, Ramampy Zénaï­de, momba ny fifidianana depiote izay efa misy fizarana fanomezana amin’izao. Izay heno amin’ny haino aman-jery: toy ny vazaha mody miady fotsiny izy […]

SMM : “Tsy mbola meloka ireo kandidà nosamborina”

“Ny olona efa voadidin’ny didim-pitsarana raikitra ho voasazy no atao hoe olo-meloka. Mbola tsy meloka ilay olona raha mbola tsy izay didim-pitsarana raikitra izay no mivoaka”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM), Andriantsihorisoa Mbitanarivo, ny amin’ny fisian’ny kandidà depiote nosamborina ary enjehina ara-pitsarana amin’izao. Ny dikan’izay, rehefa […]

Razanamahefa Marie Stella : “Lafo ny safidin’ny olom-pirenena matoa mandany vola ireo kandidà”

Aiza ho aiza ny vahoaka amin’izao fifidianana depiote izao? Maneho ny fijeriny ny mpitondra tenin’ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), Razanamahefa Désirée Marie Stella: “Mahaiza manao safidy voahevitra. Lafo be izay safidy izay matoa ry zareo kandidà mandany vola aman-karena sy mandambolambo.” Dini­dinika… Gazety Taratra (*): Olona […]

TARATRY ny KANTO

Nampihetsi-po ny veloma farany ho an’i Lalie. Na nandritra ny fotoana niandrasana ny vatana mangatsiakany teo am-bohitra, na nandritra ny fotoam-pivavahana nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra tetsy amin’ny Ekar St Etienne Ambanidia, samy nahatsapana ny fitiavan’ny maro azy. Niara-nirodorodo nifanotrona tamin’ny fianakaviana ireo namana sy tapaka ary mpankafy azy, hatrany amin’ny fasana nanitrihana […]